Lasa lamaody amin’izao ny fifamoahana dosie maloto ho an’ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra. Nalaza tao anatin’ny andro vitsy, ohatra, ny mikasika ny depiote Tinoka Roberto,
izay voalaza fa nanao diplaoma hosoka (BACC+4) nahafahana nanao fifaninanana nidirana teny amin’ny sekoly ambony manofana ho mpiasam-panjakana na ny ENAM eny Androhibe ny taona 2015, ary efa nohenjehin’ny fitsarana. Fotoana fohy taorian’izay ihany koa dia novakiana bantsilana fa naka tahaka horonantsary vahiny iray i Andry Rajoelina tamin’ilay horonantsary nataony momba ny IEM (Initiative pour l'Emergence de Madagascar). Saika nanatsikafona azy io avokoa ny ankamaroan’ny haino aman-jery mpanohana ny fitondrana. Ny manahirana ao anatin’ny raharaha toy itony, dia maro ireo resaka ampamoaka isan-karazany teto amin’ny firenena saingy nitondra nankaiza ? Zary lasa fitaovana hifanaratsiana sy hifandotoana ara-politika, fa izay fandraisana andraikitra araka ny lalàna tsy misy. Firifiry moa ny raharaha kolikoly teto amin’ny firenena, saingy toa sarintsarina fandraisana andraikitra no misy, ary arirarira tsy hita izay hiafarany amin’ny ankapobeny. Ireny izao ny resaka kolikoly teny amin’ny antenimieram-pirenena tsy hita izay tohiny mandrak’androany na dia efa nofatoran’ny vavany aza ny depiote sasany, ary nisy ny horonantsary azo hanompanana ny fanadihadiana. Raha itony ampamoaka vaovao itony, dia mety ho any amin’ny etika politika no hitsarana ny tsirairay hoe : raha tsy kandida na efa lany kandida iray kanefa fantatra sy voaporofo fa namitaka sahady ny olom-pirenena dia inona no tokony hatao aminy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.