Ity ilay tonga amin’ny fitenenana hoe : efa miserana vao manao mbay lalana. Omaly dia nandefa taratasy fialan-tsiny amin’ny vahoaka malagasy tamin’ny alalan’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Jean Anicet Andriamosarisoa ny
Komity mpikarakara ny andiany faha-9 amin’ny Lalaon’ny Nosy izay atao atsy amin’ny nosy La Réunion amin’izao fotoana izao, noho ny fihetsik’ilay vazaha vavy mpikambana ao amin’ny komitin’ny lalao, nisintona ankeriny ny sainam-pirenena Malagasy teny an-tanan’ny atleta Malagasy, teo ambony lapihazo handray medaly volamena. Io taratasy io dia valin’ny taratasy fitakiana fifonana nataon’ny minisitry ny Fanatanjahantena afak’omaly. Ny Minisitra Andriamosarisoa Jean Anicet izay ampangain’ny gazety atsy amin’ny nosy La Réunion sasany ho “malemy sy niady irery” ihany. Gazety vitsivitsy mpiseho isan’andro eto Antananarivo kosa no nanambara fa nanohana ny minisitra ny masoivohon’i Madagasikara atsy La Réunion Ramamonjisoa Virapin sy ny filohan’ny Komity olimpika malagsy Randrianasoloniaiko Siteny. Ramamonjisoa Virapin moa izay tsy nandrenesam-peo mihitsy tamin’ireny olan’ny “visa” nahazo ny delegasiona malagasy ireny.
“Ni…Ni”
Fa tsy vao sambany no nisehon-javatra toy izany ny firenena malagasy amin’ny fifandraisana amin’i Lafrantsa. Raha ny fijalian’ny olona te hihazo an’i Frantsa amin’ny fakana “visa” etsy Ambatomena fotsiny na dia mazava aza ny anton-dia efa mampieritreritra hoe : tsy sitraky ny Frantsay ho any aminy mihitsy ny Malagasy fa ny avy eto no misisika. Nangahiahy i Wawa, mpanakanto, fa efa tonga tany Marseille no naverina. Tsy nahatsindry fo i Ninie Donia ka nampiaka-peo tetsy Ambatomena noho io toe-javatra io ihany. Mila tombotsoa amin’i Madagasikara i Frantsa dia mody mihatsara ivela-tsihy fa raha ny any am-pon’izy ireo dia manganana. Firenena mahantra moa i Madagasikara ka izay angamba no tsy ahafahantsika mampiseho hambo-po, kanefa na izany aza misy ihany ny fotoana tokony hieritreretana. Ny raharaha “îles éparses” ohatra dia tena anehoan’ny Frantsay ny tsy firaharahiany antsika mihintsy. Mila manana hambo-po ny mpitondra e ! Tsy hoe : olona tapitr’ohatra i Dada Ravalomanana fa raha izy no nitondra teo tsy ho nisy sahy nanao ny saina malagasy toy ireny angamba. Tamin’ny vanim-potoana nitondran’i Dada dia nisy masoivoho frantsay iray izay tena, nalaza ho mpamolaka ny mpitondra fanjakana afrikanina fa rehefa tonga teto Madagasikara io olona io dia niveri-maina. In-12 Atoa Gildas Le Lidec nangataka hanolotra taratasy fanendrena azy hiasa teto fa tsy nahita nangirana tamin-dRavalomanana. Dia ireny niaraha-nahita tamin’ny 2009 ireny ny tohiny. Ary nanao izay faraheriny ny Frantsay hanakanana ny fiveren’i Dada eo amin’ny sehatra politika eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny fitondrana dia iny nametraka ilay hoe : “Ni…Ni” iny, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2013 mba tsy ahafahan’i Marc Ravalomanana sy i Andry Nirina Rajoelina milatsaka. Tsy nahasakana ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana anefa izany, ary io voafidy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra io i Lalao Ravalomanana vadiny. Hafahafa ny fomba nitateran’ny fahitalavitra frantsay France24 ny fahalanian’i Neny, fa hoe mampisongadina an’i Marc Ravalomanana, izay olona migadra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.