Milamina ho azy rehefa voahaja ny lalàna
Vao miresaka hoe governemanta , dia fitantanan-draharaham-panjakana izay. Maro be ny minisitera ao anatiny: ny misahana ny vola, atitany, fitsarana, raharaham-bahiny, fanabeazana, fahasalamana, asa vaventy , filaminam-bahoaka... Ny minisitra izay notendren'ny Praiminisitra rehefa avy nufampiresahany tamin'ny filoham-pirenena no tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny minisitera iray ary dia manana mpiara miasa akaiky aminy ao amin'ny kabinetra izy sy ireo mpanolontsaina isan-sokajiny ary dia eo ihany koa ilay rafitra ara-panjakana mahazatra : sekretera jeneraly, tale jeneraly, tale, sy ny maro hafa. Ireo rehetra ireo no miara-miasa mnatanteraka ny fandaranasa fampandrosoana amin'ny alalan'ny politika ankapoben'ny governemanta ary misy tetibolam-panjakana mifanaraka mazava tsara amin'io. Tsy azo entina amin'ny fo taitaitra ny asam-panjakana satria efa misy lamin'asa sy lalàna tsy maintsy arahana. Na vola miditra , na vola mivoaka na fanapahan-kevitra raisina dia manaraka ny fenitry ny fitantanana raharaham-panjakana avokoa. Ny dikan'izany dia tsy tokony hisy mihitsy ny hoe olona ivelan'ireo rafitra ireo ka hanome toromarika na hibaiko mpiasam-panjakana amin'ny fahefana mpanatanteraka na fahefana mpitsara. Moa tsy efa izay ihany koa ve no antony nitolomana matetika teto. Ny famoahana vaovao mbola tsy voaporofo na mbola tsiambaratelo dia mety hiteraka zava-doza sy hanakorontana. Misy ihany koa ny atao hoe "secret d'état" maneran-tany fa tsy hoe eto Madagasikara irery ihany. Tsy voatery ho marina sy mety amin'ny eto Madagasikara ny fomba fanaon'ireo firenena matanjaka satria tsy mitovy ny fomba sy ny fiainana, tsy mitovy ny tahan'ny fahaizana amam-pahalalana, mbola ka noho izany misy zavatra tsy maintsy tandremana mafy . Misy lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana ka rehefa ampiharina tsara io, mandeha ny raharaha fa raha vao sarontsaronana na ampjana sira sy karibonetra dia hikorontana foana ny eto. Manaja lalàna vao mandroso fa tsy hoe rehefa mandroso vao hanaja lalàna.
RTT (Sary fanehoana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.