AFERA BOEING

AN-DRAVATOMANGA


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Goavana ! Hotsaraina eto

Antananarivo rahampitso…
Manomboka mandeha ny raharaham-pitsarana goavana amin’ireo raharaha mahasaringotra an’i Mamy Ravatomanga. Hanomboka rahampitso 27 oktobra eto Antananarivo ny fitsarana mikasika ilay raharaha famindrana fiaramanidina Boeing 777 dimy nankany Iran tamin’ny alalan’i Madagasikara, ary anisan’ireo voampanga malaza indrindra amin’izany i Mamy Ravatomanga, raha ny vaovao navoakan’ny BFM Business omaly. Mamy Ravatomanga, 57 taona, izay fantatra ho iray amin’ireo mpanankarena indrindra teto Madagasikara ary voasokajin’ny Forbes ho laharana faharoa tamin’ireo olona nanana harena betsaka indrindra teto amin’ny Nosy tamin’ny taona 2017, dia enjehina noho ny fiampangana famotsiam-bola sy fampiasana fahefana amin’ny fomba tsy ara-dalàna, hoy ny fanamarihana. Eo am-piandrasana raharaha any Maorisy izy amin’izao fotoana izao, taorian’ny nandosirany ny firenena tamin’ny Oktobra 2025. Tsiahivina fa nahazo taratasy fisoratana anarana vonjimaika avy amin’ny ACM (Aviation civile de Madagascar) ireo fiaramanidina, ka izany no nahafahan’izy ireo niampita ny habakabaka iraisam-pirenena sy tonga tany Iran tamin’ny Jolay 2025, na dia niharan’ny sazy henjana napetrak’i Etazonia nanomboka tamin’ny taona 2018 aza ny sehatry ny sidina iraniana. Tsy tonga teto Madagasikara akory anefa ireo fiaramanidina ireo. Talohan’ny famindrana azy dia fananan’ny orinasa Ion Aviation, ao Florida any Etazonia izy ireo, ary nipetraka tany Sina. Mino ny mpanadihady fa natao fisoratana anarana teto Madagasikara fotsiny ireo Boeing ireo mba hahazoana taratasy ara-dalàna hanamorana ny sidina mankany Iran. Nohamafisin’ny fijoroana vavolombelon’i Singh Khushwinder, iray amin’ireo voampanga ao anatin’ilay raharaha, fa voalaza fa nahazo vola mitentina 5 tapitrisa euros i Mamy Ravatomanga nandritra io fifanarahana io. Voalaza koa fa izy no tena tompon’ilay orinasa malagasy nampiasaina tamin’ny fisoratana anarana ireo fiaramanidina. Ankehitriny, voasoratra amin’ny anaran’ny kaompania iraniana Mahan Air ireo Boeing 777 dimy ireo. Ny Departemantan’ny Tahirim-bolan’i Etazonia dia efa nametraka sazy amin’ny sasany amin’ireo fiaramanidina ireo ary miampanga ny Mahan Air ho voarohirohy amin’ny fitaterana sy fahazoana rafitra drôna ary fitaovam-piadiana mifandray amin’i Iran.
GOAVANA, RAHARAHA TENA MAHASAROTINY NY AMERIKANINA
Goavana ny dosie, nandritra ny fanadihadiana iraisana notarihin’ny FCC (Financial Crimes Commission) ao Maorisy sy ny FBI amerikana dia nilaza ireo mpanao famotorana fa manana fijoroana vavolombelona, porofo nomerika ary rakipeo maro manohana ny ahiahy fisian’ny kolikoly izy ireo. Araka ny didim-pitsarana nivoaka ny 12 Oktobra, ireo singa ireo no fototry ny vesatra apetraka amin’ireo olona voarohirohy. Voaresaka ao anatin’ny antontan-taratasim-pitsarana ihany koa ny fisian’ny fivoriana tao amin’ny Novotel Antananarivo. Araka ny fanadihadiana, dia voalaza fa nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Fitaterana tamin’izany fotoana izany, Valéry Ramonjavelo, ny tale jeneralin’ny ACM teo aloha, Singh Khushwinder, ary ilay Iraniana Hamid Arabnejad, izay efa voasazin’i Etazonia nanomboka tamin’ny 2013. Araka ny fiampangana, io farany io dia voafaritra ho iray amin’ireo mpitarika ny paikady ampiasain’ny Mahan Air hialàna amin’ny sazy amerikana. Nandà ireo fiampangana ireo anefa ny mpisolovavan’i Mamy Ravatomanga. Nambaran’izy ireo fa tsy mbola naseho azy akory ilay sary lazaina fa nalaina nandritra ny fivoriana ary tsy mbola nampahafantarina azy izany porofo izany. Miisa 28 ireo olona voampanga ao anatin’ity raharaha Boeing iraniana ity. Na izany aza, tsy ho hita eo amin’ny toerana natokana ho an’ny voampanga i Mamy Ravatomanga mandritra ny fitsarana, satria mbola voatazona any Maorisy noho ny raharaha famotsiam-bola hafa mitohy any an-toerana,... ary mitohy anio 26 oktobra ihany koa ny fanadihadian’ny Fitsarana Tampony Maorisianina ny raharaha boeing 777.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

Hijery ny tohiny
FTT