FAHATAPAHAN-JIRO RN 1


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Vokatry ny andrin-jiro nianjera sy ny

fipoahana tao amin’ny « sous station sud »
Tena tsy nisy izay tsy nitaraina ny amin’ny fahatapahan-jiro hiainany ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano mivoaka ny lalam-pirenena voalohany, nanomboka ny Sabotsy teo.Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny JIRAMA ho an’ny RN 1 dia vokatry ny fianjeran’ny andrin-jiro mitondra ny tariby THT (Très Haute Tension) teny Ambatomirahavavy, akaikin’ny lalana mankany Mikotsorano no nahatonga izany ka niteraka ny fahatapahan-jiro naharitra. Na izany aza efa niverina ny jiro.Teo am-pandaminana niaraka tamin’ny tompon-tany sy ny kaominina Ambatomirahavavy ny Jirama omaly. Lasa akaiky trano loatra mantsy io andrin-jiro io noho ny fanorenana nataon'olona taty aoriana ka mila fandravana ireo foto-drafitrasa ireo hisorohana ny loza sy iantohana ny jiro tsy ho tapaka. Ny fahatapahan-jiro omaly Alahady kosa indray dia vokatry ny fipoahana teo amin’ny vata fanapahana herinaratra tao amin’ny sous-station Tana-Sud, ka nahatonga fahatapahan-jiro hatrany Anosizato, lalam-pirenena voalohany manontolo sy ireo toerana hafa voakasik’izany. Tapak’andro teo ho eo no niainana izany fahatapahana izany tamin’ny ankapobeny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tranga niteraka fahatapahan-jiro tao Ambatomirahavavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

Hijery ny tohiny
FTT