no nampanamboatra ilay sary
vongana tsy nety iny"
Notokanana ny 14 oktobra dia nesorina ny ampitso 15 oktobra ilay sary vongan'ny filoha Philibert Tsiranana tao Antsohihy. Naverina amin'ny toerany nasolo azy ilay sary vongana teo aloha. Niteraka resabe, niaro hatezeran'olona maro ny nahita ny endrik'ilay sary vongana notokanana nandritra ny fankalazana ny Fety roa sosona dia ny Fetin'ny Repoblika voalohany sy ny Fetin'ny Fahafahana, manamarika ny faha herintaonan'ny Fanavaozana ny Repoblika. "Tsy nierana taminay fianakaviana ny fanamboarana azy", hoy Ramatoa Eliana Bezaza, zafikelin'ny filoha Philibert Tsiranana sady Sekretera nasionalin'ny antoko PSD. Ity farany ihany no nitondra fanazavana, ka nilaza mazava fa "tsy ny PRRM velively no nampanamboatra na namatsy vola ilay sary vongana tsy nety fa ny fitondrana eto an-toerana. ️Aoka hazava fa tsy misy hidiran’ny fitondrana Fanavaozana io". ️"Ka ho anareo mitsikera ny Filoha, zonareo izany fa kosa aza atao fitaovana hitsikerana azy amin’ny tsy rariny iny tranga iny", hoy Ramatoa Eliana Bezaza. Nisaotra ny fitondram-panjakana sy ny Vahoaka avy amin’ny lafy valon’ny Nosy tonga nanome voninahitra ny lanonana ny tenany, tamin'ny anaran'ny fianakaviana Tsiranana sy ny antoko PDS nanatontosa ny fankalazana ny 14 oktobra tany Anahidrano sy ny fanomezam-boninahitra manetriketrika ny filoha Philibert Tsiranana. "Sambany no nisy filoham-panjakana tonga taty niara-nankalaza ny 14 oktobra", hoy Ramatoa Eliana Bezaza. LESONA FA TSY FANOMEZAN-TSINY Isan'ireo naneho hevitra momba iny raharaha sary vongan'ny filoha Philibert Tsiranana iny i Johanne Wilfried, zanaka lahin'ny mpanakanto Rakotomanana François de Sales na Ramy Franck, tanora mpikambana amin'ny antoko Malagasy Tonga Saina na MTS. Teny fampieritreretana no nataony : Lesona fa tsy fanomezan-tsiny. "Manana olona mahay isika. Koa aoka ny fahaiza-manao sy ny fandinihana no hialoha ny fahamaikana, indrindra rehefa ny tantaram-pirenena sy ny volam-bahoaka no resahina", hoy i Johanne. Notohizany fa "Tsy ny fitadiavana izay diso no zava-dehibe, fa ny fisorohana ny fahadisoana tsy hiverina. Aoka tsy hifampitsikera, fa hifanoro; tsy hifampizarazara, fa hiara-hitady ny tsara indrindra ho an’i Madagasikara". Nofaranany tamin'ny hoe : "Ny sarivongana dia mety hovaina, fa ny lesona tokony horaisina sy ny firaisankina kosa aoka haharitra", namaranany ny fanehoan-keviny.
Jean D.
Eliana Bezaza, Sekretera nasionalin'ny antoko PSD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.