ireo tompon’andraikitra
Tranga iray voajanahary
tsy azo hiodivirana ny El nino. Maro ireo mety ho fiantraikan’izany, antony nanatanterahan’ireo tompon’andraikitra fivoriana maika natao teny amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro omaly Alarobia 14 Oktobra. Raha tsiahivina kely dia fisehoan-javatra voajanahary miavaka noho ny hafanana tsy ara-dalàna ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika ekoatôrialy ny “El Niño”. Miteraka fikorontanana mahery vaika eo amin'ny rotsak'orana sy ny fiovan'ny hafanana izy io, izay mety hampihena ny rotsak'orana any amin'ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana. Mety hahazo orana betsaka kokoa mandritra ny fotoam-pahavaratra kosa ny faritra Avaratra sy Atsinanana ka mila miomana amin’izany isika. Ho fiatrehana izany dia nisy ny drafitra napetraky ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary hanamafisana ny fiomanana mialoha, ny asa hatao ary ny famaliana maika ny filan’ny mponina. Tanjona lehibe amin’izany ny hisorohana ny aina mety hafoy mandritra ny fotoana hitrangan’ny loza.
Nangonin’i Pati
Legende : Nampitovy tadin-dokanga tahaka izao ireo tompon’andraikitra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.