JIRAMA

Misy olana ny TAC1,


  • Zoma 16 Oktobra 2026

banga 18MW ny famokarana

Namoaka fampahafantarana ofisialy ny Jirama omaly takariva, fa mbola tsy afaka mamokatra herinaratra ny TAC 1 JIRAMA ao Ambohimanambola. Vokatr’io, misy fahabangana izay tombanana ho 18 MW arak'izany ny vokatra tsinjaraina eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo na ny RIA. Nambara fa hampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny JIRAMA ho an’ny omaly hariva ka ora roa (2) isaky ny fahatapahana izany, hoy ny serara ofisialy. Ora nomen’ny Jirama moa ny fahatapahana teo anelanelan’ny tamin’ny 5ora sy sasany hatramin’ny 7ora hariva ; tamin’ny 7ora hatramin’ny 9ora alina, izay tanàna an-jatony no voakasika. Nilaza moa ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison ny 4oktobra teo tao anatin’ny tatitra nataony, fa famaliana ny filana maika toy ny jiro sy rano izay fototry ny tolona no isan’ny ny iraka ampanaovina azy. Ho an’ny jiro sy rano, nambara fa betsaka ny fotodrafitrasa natao : 1200 mahery ny fotodrafirasa nanomboka ny volana martsa ka ny ampahenina dia tany Androy izay nitarihana rano nakany Ambovombe,… Nahatratra 7hetsy na 8 hetsy latsaka ny olona nisitraka rano. Mety mbola tsy tonga lafatra fa nitombo ny fisitrahana rano teto Antananarivo sy ny faritra maro, hoy izy. Ho an’ny jiro, nambara fa voapetraka any amin’ny 35MW ny fampitomboana ny eto Antananarivo ; efa mivaha ny tany Toamasina, vita sonia ny Volobe hamokatra 115MW, nividy milina sy solika mivantana ho an’ny Jirama mba tsy hividianana lafo,... Na izany aza, manahirana ihany ny mbola tsy fahafehezana ny olana ka mila hatsaraina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

Hijery ny tohiny
FTT