KAOMININA

ALASORA


  • Zoma 16 Oktobra 2026

400 isa isan-taona ny fangatahana

fahazoan-dalana hanorina
Mahatratra 400 isa isan-taona amin’izao ny fangatahana fahazoan-dalana mba hanorina ho an’ny kaominina ambanivohitr’Alasora, distrikan’Avaradrano raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Noho ny hamaroan’ireo olona mitady tany hovidiana tonga eny an-toerana no mahatonga izany ary maniry ny hanorim-ponenana avy hatrany. Amin’ny ankapobeny anefa dia betsaka amin’izy ireny no tsy mahalala akory ny momba ilay tany novidiany na azo hanorenana na tsia. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fanotofana izay miteraka tondra-drano eny amin’ny faritra iva matetika rehefa fotoam-pahavaratra. Ho fanomezana fahalalana ho an’ ny vahoaka dia hankalaza amin’ny fomba miavaka ny Volan’ny tanan-dehibe ny kaominina Alasora amin’ity volana Oktobra ity. Ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana no loha-hevitra nampitondrainy ny hetsika izay hanomboka ny 20 Oktobra ho avy izao. Afaka mandalo eny amin’ny DGAT na ny sampandraharaha ifotony misahana ny fanajariana ny tany eo amin’ny domaine Alasora avokoa noho izany ireo mponina eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy avy amin’ireo kaominina 16 mandrafitra ny distrikan’Avaradrano manana olana amin’ny resaka fanorenana. Lohalaharana amin’izany ireo mponin’Alasora izay nomarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy manokana fa tsy sanatria hifanenjehana akory ho an’ireo nanao fanorenan-trano tsy ara-dalana fa hahafahana mandamina sy mikarakara izany kosa. Hanampy ny kaominina amin’izany ny sampandraharaha ifotony misahana ny fanajariana ny tany tarihin’ny dokotrra Ranaivosamimanana Tolotra izay nanambara fa tena lehibe ho an’ny asa fanajariana ny tanana izany ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy sy ny lehiben’ny sampandraharaha ifotony misahana ny fanajariana ny tany Dr Ranaivosamimanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

Hijery ny tohiny
FTT