Fahazotoana sy fikirizana
no tsiambaratelon’ny fahombiazana»
Tantsaha ny ray aman-dreniko, hoy ny Pr Raphael Razakandrainy, manam-pahaizana manokana momba ny bakteria no sady nianatra momba ny toekarena. Tantsaha izahay, hoy izy. Tsy nahay nanoratra sy namaky teny ireo fa nahatsapa hoe tokony hianatra ny zanany dia nanao ezaka be izy ireo nanao izay ianaran’ny tena. Nanomboka ny kilasy faharoa na «classe de seconde» izahay vao nikiraro sy nanao kapa. Nandeha tongotra. Ankehitriny izany efa mba mikiraro fa raha tsy nianatra dia mety mbola tsy nikiraro. Jereo daholo ny tranon’ny olona mahay sy nianatra fa tsy mitovy amin’ny tsy nianatra! Niandry omby tamin’izany fa izao efa mba mitaingina fiara tsy mataho-dalana na 4X4. Ny tsiambaratelon’ny fahombiazana izany dia ny fahazotoana sy fikirizana. Fahazotoana sy fikirizana no tsiambaratelon’ny fahombiazana. Aza mora rebireben’ny olona ary averiko foana ny hoe tsy mila mifoaka rongony, tsy mifoka sigara, tsy mihinam-paraky, tsy misotro toaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.