Rosianina isika ! »
Naneho ny heviny mikasika izay Firenena vahiny tokony hiara-kiasa sy hifanohana amin’i Madagasikara ny antoko RPMU na ny Réveil Patriotique de Madagascar Uni tarihin-dRakotonirina Richard omaly. Nambarany fa raha tsy maintsy hitady izany ihany isika dia aleo tsy miaraka amin’ny Firenena bokan-trosa toa an’i La Frantsa. Soso-kevitra narosony araka izany ny tokony hiarahan’i Madagasikara amin’ny Firenena Rosiana izay miara-miasa akaiky amin’izy ireo. Tanjona amin’izany hoy izy ny hisian’ny fifohazana sy ny fanavaozana marina ho an’ny firenena. Tsy ny antoko politika irery intsony mantsy no hifoha hoy izy fa ny vahoaka Malagasy manontolo mihitsy. Nanatanteraka fotoam-bavaka tetsy amin’ny Havoria Anosy izy ireo omaly nentina nankalazana ny datin’ny 14 Oktobra nialan’ny Firenena Malagasy teo ambany vahaohan’ny mpanjanantany. Toraka izany koa ny nandraisan’ny kolonely Randrianirina Michael ny fahefana. Nisaotra manokana ny CAPSAT izy ireo manoloana izany, tamin’ny fahasahian’ireto farany nanatevina ny tolona natomboky ny vahoaka ka nahatafita soa aman-tsara izany. Nomarihin-dRakotonirina Richard moa fa daty tsy tokony hohadinoan’ny rehetra mihitsy izany. Tsiahivina fa nijoro ara-dalana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 15 Febroary teo ny antoko RPMU ary any Toamasina no misy ny foibeny. Vonona hamongotra ny rafitra kolonialy izay efa niorim-paka nandritry ny 60 taona mahery teto Madagasikara ny antoko.
Pati
Legende : Izy no Rakotonirina Richard, Filohan’ny antoko RPMU !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.