Niteraka resabe,
nilaza tsy faly ny taranany sy ny PSD
Niteraka resabe ny sarivongan’ny Filohan’ny Repoblika Philbert Tsiranana ao amin’ny Rond Point Antsohihy, izay nosoloina sy nanamboarana vaovao. Nilaza ho tsy afa-po sy tsy faly amin’io ny fianankaviana Tsiranana sy ny antoko PSD tamin’ny alalan’i Eliana Bezaza. « Tsy nierana tamin’ny taranaka sy ny antoko PSD. Nosoloina ilay sarivongana taloha izay nierana tamin’ny fianankaviana, nanatrika ny fanaovana azy,… tamin’ny fotoanan’andron’Atoa Pierrot Rajaonarivelo. Izahay tsy notenenina hoe esorina ilay teo, ka gaga izahay satria « surprise » ratsy ho anay ilay teo, fa indrindra ny nanoloana azy satria tsy fantatray mihitsy satria tsy mitovy endrika amin’ny dadabeanay na ny endriny na ny vatany, fa zavatra nataonay fotsiny, tsy fantatray hoe iza no nanao an’io, fa tsy mahafaly anay fianankaviana », hoy i Eliana Bezaza. Isan’ny nanome voninahitra sy nandray an-kafaliana ny PPRM Kolonely Randrianirina Michael kosa anefa Rtoa Eliana Bezaza nandritra ny lanonana samihafa tany an-toerana, saingy ity resaka sarivongana ity izay heverina fa tsy ny PRRM mivantana mazava ho azy no nanao azy no nasiany kiana. Isan’ny nitondra kiana tamin’io koa moa ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny tetezamita Julien Razafimanazato. Na izany aza, tsy afaka nojerena sy nodinihina mialoha ve ny fanavaozana natao mba tsy hiteraka resabe ? Taiza ny lesoka ? Iza no tompon’andraikitra ? Tsy afaka nosorohana mialoha ve ny mety ho lesoka ? Zara’ny hafa aza moa nisy an’io entina hanenjehana ny fitondrana fanavaozana, entina hanakonana ny zavatra tsara napetraka sy natsangana ao an-toerana, toy ny fotodrafitrasa famatsiana rano, ny fanavaozana ny EPP Philbert Tsiranana, ny asa samihafa hatao,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.