Misy lamosina mpiaro matoa sahy ireo sinoa...
Nandray fepetra hentitra manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy manara-dalàna ny Fitaleavan’ny Harena an-kibon’ny Tany, ka nogiazana ireo fitaovana nampiasaina tamin’izany tao Mahaseza, fokontany Vohitrarivo, ao amin’ny distrikan’Ikalamavony. Nidina ifotony ny delegasiona notarihin’ny Fitaleavan’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Talen’ny Faritra Matsiatra Ambony nanatanteraka izany. Araka ny fanazavana, nisy ny angom-baovao nahafantarana fa ahitana fitaovana vaventy sy teratany sinoa mirotsaka amin’ny fitrandrahana malakita ao an-toerana. Nandritra ny fizahana ireo toerana voakasika no nahitana porofo fa nisy fitaovana nampiasaina tsy nanaraka ny fepetra ara-dalàna sy ara-pitantanana manan-kery. Nogiazana ireo fitaovana, ho fiarovana ny harena an-kibon’ny tany sy ho fanajana ny lalàna velona eto amin’ny firenena, hoy ny tatitra. Navoitra fa manan-danja amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny famoronana asa ny fandraisan’anjaran’ny mpandraharaha, na vahiny na Malagasy. Na izany aza anefa, tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fanarahana ny lalàna sy ny fepetra rehetra mifehy ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny asa fitrandrahana. Notsindriana ihany koa fa vonona hatrany ny fanjakana sy ny sampan-draharaha misahana izany hanampy sy hanoro lalana ireo mpandraharaha mba hahafahan’izy ireo miasa ara-dalàna sy am-pahombiazana, sady miantoka ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tombontsoam-bahoaka.
SESILANY, MISY MPIARO SY MPIRAY AFERA…
Tsy vao sambany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy fampiasana fitaovana avo lenta, indrindra fa ireo teratany sinoa, nisiana fanagiazana fitaovana ampiasaina amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tsy ara-dalàna eto Madagasikaram. Maro ireo tranga nisy sy misy toa io any Ikalamavony io izay tena fitaovana raitra. Tamin'ny 19 jolay 2026, ohatra, dia tratra ka nogiazana ny « drague » iray nampiasaina tamin'ny fitrandrahana volamena tsy nahazoana alalana tao Ambodizarona, kaominina Fetraomby, distrikan'i Brickaville. Nisy teratany vahiny iray tratra tany an-toerana. Tamin'io andro io ihany, tany Marotaolana, kaominina Antsiafabositra, distrikan'i Maevatanana, dia nogiazana ireo fitaovam-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ary olona vahiny telo no notazonina noho ny ahiahy ho nandray anjara tamin'ilay asa fitrandrahana. Volana vitsy talohan'izay, ny 20 jona 2026, dia nisy bemidina nataon'ny tompon'andraikitry ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany tao Ambodimanga I, kaominina Ambinanindrano, distrikan'i Mahanoro. Nogiazana avy hatrany ireo milina vaventy roa nampiasaina tamin'ny fitrandrahana volamena tsy nahazoana fahazoan-dàlana, ka nohamafisin'ny fanjakana fa tsy hisy fandeferana amin'ireo mpitrandraka minia mandika lalàna. Tamin'ny 29 jolay 2024 kosa, dia nampiato toeram-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tao Vavatenina, faritra Analanjirofo, ny Polisin'ny Harena an-kibon'ny Tany. Nogiazana ny fitaovana, ary nisy olona nosamborina. Vao tapa-bolana lasa, naato ny toeram-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tao Maevatanana, izay antony nampidirina am-ponja ny depiote Rahantanirina Lalao na Ninah. Tany aloha, tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina dia ny Lehiben'ny Faritra Betsiboka mihitsy no nampanofa "engins" an'ny faritra tamin'ny sinoa, nitrandrahana volamena tsy ara-dalàna. Mbola misy ireo tratra amin’izao.
BIZINA AVO LENTA
Hamono antoka hampiasa vola amin'izany ve ireo sinoa raha tsy efa matoky tena ho manana olona ambony mpiaro sy manampy ? Ireo tranga misesisesy ireo izay mbola mitohy hatramin'izao dia maneho fa mbola isan'ireo fanamby lehibe atrehan'ny fanjakana ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harena an-kibon'ny tany. Bizina avo lenta, ary tsy ho foana velively, raha mbola misy olona ambony na manam-pahefana miaro, ary heverina sy inoana fa tena mbola misy any ambadika any...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.