• Alarobia 25 Martsa 2020
Sosialy.Fianakaviana tsy manan-kialofana Olona 338 nalefa eny Anosizato

Nangonina ireo fianakaviana tsy manan-kialofana teto an-drenivohitra, ny teny ambany tonelina, ny tamin’ny sisin-dalana, ny ambany tetezana… ary miisa 338 izy ireo natoby eny amin’ny Centre Social Anosizato izay toerana an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2020
Sosialy.Tanora mandray andraikitra Miantso fizarana tapim-bava

Manao antso avo ny fitondram-panjakana ny avy eo anivon’ny fikambanana Tanora mandray andraikitra na TMA mba hizara ireo fitaovana heverin’izy ireo fa madinika entina hiarovana amin’ny fihanak’ilay areti-mandripaka, Coronavirus.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2020
Sosialy.Fihinanana atsantsa tany Sambava Zaza 13 taona no maty, 3 hafa mbola eny amin'ny hopitaly

Ny tolakandroan` ny 23 martsa teo dia tovolahikely iray, 13 taona, no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana atsantsa (requin). Mpifanolobodirindrina aminy no nahazo atsantsa ka mba nizara dia nihinana izy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2020
Sosialy.Vidin’entana eny an-tsena Mbola misy sahy manararaotra ihany

Na eo aza ny fepetra apetraka sy fampitandremana ataon’ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hampidinana ny vidin’entana ilaina an-davan’andro eny an-tsena dia mbola misy amin’ireo mpivarotra hatrany no mampihatra vidin’entana mihoam-pampana, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2020
Sosialy.Biraon’ny Kaominina mikatona Nahemotra avokoa ny fisoratam-panambadiana

Nikatona avokoa nanomboka ny alatsinainy 23 martsa teo ireo biraom- panjakana eto amintsika. Tafiditra ao anatin'izany ny fokontany sy ny kaominina ialana amin'ny fivorivoriana sy iadiana amin'ny aretina coronavirus.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2020
Sosialy.Behoririka Nangina tanteraka ny tanàna

Fepetra noraisina eto Antananarivo Renivohitra ny tsy fahafahan'ny rehetra mivoaka ny trano ho fifehezana ny fipariahan'ny valanaretina coronavirus. Maro ihany ny toerana tsy ahitana olona mbola mifamezivezy, indrindra fa ny tapany maraina. Isan'ny be olona ny eny Behoririka, saingy nangina tanteraka.

Hamaky ny tohiny
FTT