Olona 4 tamin’ireo 25 nanaovana fanadihadiana tany amin’ny distrikan’Ambanja hatreto no fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’ilay famonoana polisy iray tany an-toerana ny herinandro lasa teo.
Miisa 15 ireo nanaovana fanadihadiana teny am-piandohana, nitombo ho 25 isa izany fotoana vitsy taorian’izay ary izao nisy efatra nalefa any am-ponja izao. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandeha namita iraka hisambotra ireo lehiben'ny fanondranana rongony ao amin'ny fokontanin' Antsifatra Distrikan'Ambanja Itompokolahy sy ireo polisy telolahy namany rehefa nahazo angom- baovao marim-pototra avy tamin’ ny kaomisarian'Ambanja. Nisy ny mpitari-dalana nitondra azy ireo ho any amin'ilay toerana nisy ireto olon-dratsy ireto. Vantany vao tonga teny an-toerana anefa izy ireo dia efa nitsoaka niaraka tamin'ny rongony ireo voalaza fa mpanondrana izany. Ny lehiben'ny fokontanin'Antsifatra niaraka tamin'ny fokonolona teo amin'ny roapolo teo no nifanena tamin'ireto polisy sy ilay mpitari-dalana. Tezitra ireto fokonolona ireto nahita azy ireo ka nampangain'ireto olona ireto ho mpamadika azy ireo ilay mpitari-dalana ka avy hatrany dia namono ireo polisy nentiny niaraka taminy. Tsy afa- nanohitra ireto fokonolona ny polisy ka maty tamin'ny vono nahazo azy Itompokolahy raha naratra mafy kosa ny polisy iray sy ilay mpitari-dalana, tafaporitsaka kosa ny polisy roa namany ka avotra soa aman-tsara ny ain'izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.