Sosialy

Savorovoro tany Ambovombe Tsy tokony hifandatsahan-drà ny tsy fitovian-kevitra


  • Talata 05 Mey 2020

Manoloana ny savorovoro nitranga tany Ambovombe Androy ka nahafatesana olona roa sy naharatrana ny mpiara-belona maro dia namoaka fanambarana toy izao ny rodoben'ny mpanohitra "RMDM" any amin'ny Faritanin'i Toliara izay soloin'ny filoha lefiny tena, Atoa Sazalahy Tsianihy.

 

 

Voalohany : miara-miory amin'ireo longo namoy havana izahay. Faharoa : mirary fahasitranana haingana hoan'ireo maratra na sivily na mpitandro ny filaminanana vokatry ny fifandonanana fa samy teratany Malagasy izy ireo. Fahatelo : miangavy an'ireo mpanao asasoa mba hamonjy an'ireo olona rava trano nanjary traboina amin'izao fotoana izao fa tsy manana trano honenana sy hatoriana ary tsy fantatra ny tany ipetrahana. Fahaefatra : mianatra ny znanak'izy ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana atsy ho atsy izay mampanahy be ihany ny hoavin'izy ireo satria ny fitaovam-pianarana dia tsyeo am-pelatanana intsony vokatry ny faharavan'ny trano, ny toerana hatoriana tsy misy , ny hanin-ko hanina sarotra hita. Fahadimy ; na inona na inona tsy fitovian-kevitra sy fifanololanana ara-politika, tsy tokony hisy ny fandatsahan-drà na fifamonoana fa Andriamanitra irery ihany no tompon'ny aina ka tokony ho tandrovina mandrakariva ny maha-samy iray tanàna. Andraikitry ny mpitondra ny miaro ny ain'ny olona sy ny fananany. Raha tany 2ha sy 800a no tsy mampitovy hevitra, mbola malalaka Ambovombe Androy ka tokony tsy hifamono fa azo hijerena tany hafa. Masina ny tanindrazana, hoy ity mpitondra tenin'ny RMDM Faritanin'i Toliara ity, ka tokony ho tandrovina mandrakariva ny fihavananan'ny samy Malagasy

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT