Sosialy

Asa fanadiovan-tanana Tokony hatao isan’andro


  • Talata 05 Mey 2020

Tokony hatao isan’andro ny asa fanadiovan-tanana fa tsy miandry aretina tonga toy ny COVID 19 izay hiainantsika ankehitriny vao mikoropaka avokoa ny rehetra. Amin’ny ankapobeny dia miainga isan-tokantrano izany amin’ny alalan’ny fanadiovana ny tokontany , ny trano fivoahana…

 

 

 

 Miitatra amin’ny manodidina ny hetsika mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny npiara-monina. Tany amin’ny Repoblika faharoa tany ho any dia nisy mihitsy ny fanaraha-maso hataon’ireo tompon’andraikitra eny ifotony toy ny Fokontany amin’ny asa fanadiovan-tanana tokony hataon’ny tsirairay. Anisan’ny jerena ao anatin’izany ny fananan’ny tokantrano iray trano fivoahana, ny lava-pako…Somary nivaha anefa izany taty aoriana, fitaizana izay tena mahasoa tokoa hany ka amin’ny fotoana fisian’ny areti-mandringana tahaka izao vao mihazakazaka avokoa ny rehetra. Hetaheta takiana amin’ireo mpitondra eny ifotony araka izany ny tokony hanarahan’izy ireny maso ny fahadiovana isan-tanana fa tsy variana any amin’ny biraom-pokontany mandray adidy…. fotsiny. Toraka izany koa ny fanentanana ny olom-pirenena ka samy hahatsapa ny rehetra fa samy tompon’andraikitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT