Sosialy

v Ambohitrinibe Antsirabe Zaza menavava nisy nanary tao an-gabone


  • Talata 05 Mey 2020

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo. Zaza menavava iray vao latsaka tety ambon’ny tany no nisy nanary tao amina toeram-pivoahana iraisana iray ao Ambohitrinibe Antsirabe.

 

 

 

 

 Ny Alahady teo no nitrangan’izany ka kartie mobila iray sendra nanao ny asany no nahare ny feon’ilay tsy manan-tsiny tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Nampandre ny manodidina ity farany nandrita izany ka nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ilay zaza izay mbola niraikitra taminy ny tadim-poitrany. Tsy nisy akanjo ihany koa izy fa nifono lamba fotsiny raha ny fanampim-baovao azo. Tsy azo moa ity zaza ity vokatry ny hatsiaka be loatra nahazo azy ka samy nalahelo avokoa ireo nanatri-maso. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha ary efa eo am-pikarohana ilay nahavanon-doza ireto farany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT