• Alakamisy 24 Martsa 2011
Politique.Ravalison Clément “Ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no vahaolana”

Resadresaka nivantana tamin’ny filohan’ny antoko AME (Antoko Miombon’Ezaka,) Atoa Ravalison Clément, no nahalalana fa hanolotra olona amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ity antoko ity. Ny fifidianana aminy no vahaolana amin’ny krizy efa ela loatra ka miantso ny rehetra handray andraikitra ry zareo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Martsa 2011
Politique.Fandaminana ny krizy Voadaka i Mémé

Nahitam-bokatra ny rodobe diplaomatika nataon’ny Ankolafy telo na ny teto an-toerana na ny tany Afrika, amin’ireo firenena eo anivon’ny Vondrona SADC tato anatin’ny roa herinandro izao, raha zohina tamin’ny zava-boalazan’Atoa Marc Ravalomanana tao amin’ny Magro Behoririka omaly raha niditra an-tariby nitondra fanazavana ny tenany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 23 Martsa 2011
Politique.Zafilahy Stanislas “Nidaboka ho azy ilay sori-dalan’i Simao”

Na inona na inona hatao eto ka tsy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena dia vao mainka hampilentika ny Malagasy any anaty lavaka mangitokitsoka, hoy i Zafilahy Stanislas raha naneho ny heviny manodidina ny raharaham-pirenena.

Hamaky ny tohiny
FTT