Na inona na inona hatao eto ka tsy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena dia vao mainka hampilentika ny Malagasy any anaty lavaka mangitokitsoka, hoy i Zafilahy Stanislas raha naneho ny heviny manodidina ny raharaham-pirenena.
Efa fantatry ny FAT mazava fa tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy izy ireo amin’io fanarahana anjambany ny sori-dalan’ny Dr Simao io fa tena famitaham-bahoaka tsotra izao ny ataony. «Ny tanjon’ny ankolafy 3 dia mazava ho azy», hoy ity depiote Tiako I Madagasikara voafidy tao Vavatenina ity, «fa fikatsahana ny sori-dalana eken’ny rehetra. Tsy hoe avy amin’ny ankolafy 3 ihany akory izany fa avy amin’ny hery politika rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ka hoentina hodinihana ary iarahana manapa-kevitra mba tsy hisian’ny fihetseham-bahoaka miverimberina eto intsony. Izany no midika fa tsy vahaolana mihitsy io fananganana governemanta heverin’ny FAT fa hatao io ary tsy hiditra ao mihitsy ny ankolafy 3. Tsy misy an’izany hoe ho lasa mpanohitra izany rehefa tsy miditra ao satria, efa mazava izao fa nidaboka ho azy ilay sori-dalan’i Simao ka tsy maintsy hisy sori-dalana vaovao indray tena ivoahana amin’ny krizy ary ny ankolafy 3 mihitsy no hitantana ny firenena ao anatin’izany».
«Mikasika ireo namana teo aloha lasa nankany amin’ny ilany dia sitrapony ny azy», hoy i Zafilahy. «Raha ny tenako manokana dia efa fantatr’izy ireo hatry ny ela ny hevitro ka tsy misy sahy miantso ahy izany izy ireo, eny fa na dia tamin’ny fotoana nikononkononan-dry zareo an’ireny fihetsiny ireny aza. Ny an’ny namana hafa no tsy fantatro na nisy niantso izy ireo na tsia ! Izahay tsy nisakana azy ireo fa samy manana ny safidiny ny tsirairay avy fa ny ankolafy Ravalomanana mbola mijanona ho ankolafy Ravalomanana ary manaraka ny tenin’ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ny maha filohan’ny ankolafy azy. Miaraka hatrany amin’ny ankolafy Ratsiraka sy ankolafy Zafy Albert ihany koa izahay. Ny dikan’izany dia hoe : izay tapaky ny ankolafy 3 mitambatra no iarahana manao”, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.