Politique

Fandaminana ny krizy Voadaka i Mémé


  • Alakamisy 24 Martsa 2011

Nahitam-bokatra ny rodobe diplaomatika nataon’ny Ankolafy telo na ny teto an-toerana na ny tany Afrika, amin’ireo firenena eo anivon’ny Vondrona SADC tato anatin’ny roa herinandro izao, raha zohina tamin’ny zava-boalazan’Atoa Marc Ravalomanana tao amin’ny Magro Behoririka omaly raha niditra an-tariby nitondra fanazavana ny tenany.

Nohamafisiny nandritra io tafa nivantana io izay efa notaterin’ny Daily Sun, gazety iray tatsy Afrika Atsimo, fa niantso ny Afrikanina Tatsimo ny tenany hitondra ny traikefa sy ny fahaiza-mitarika ananany hanampiana an’i Madagasikara mba hiala amin’izao krizy efa nitarazoka ela izao. Nambarany fa nandefa iraka eto ny Afrikanina Tatsimo hijery ny zava-misy. Nampiany fa dia tsy mankato iny sori-dalana natao rangopohy teny Ivato iny ity firenena ity fa tsy maintsy mifanaraka amin’izay mahasoa ny vahoaka Malagasy no vahaolana katsahina. Tamin’ny teny feno fahatokisana no nilazan’Atoa Marc Ravalomanana fa “miasa miaraka amintsika ny Afrikanina Tatsimo, manao izay azony atao rehetra ary mifampiresaka amin’ireo firenen-kafa toy ny amerikanina, ny vondrona Eoropeanina, toy izany koa ny lehibe mpitarika ny mpanelanelana vahiny, Joaquim Chissano”.

Nambarany koa fa nilaza taminy ny filoha zambianina, Rapia Banda, filohan’ny Troïka, izay rafitra mpanapa-kevitra eo anivon’ny SADC, fa dia hodinihina mandritra ny fivorian’ny SADC hatao amin’ny 31 martsa izao ny raharaha Madagasikara. Antenaina fa hivaha tanteraka araka ny hetahetan’ny Malagasy amin’izay ny krizy, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, dia “ny famerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara ary mody tsy misy fepetra i Dada”. Teto an-toerana dia nambarany fa nihaona tamin’ny Vondrona Eoropeanina ny solontenan’ny ankolafy telo omaly maraina, nanatitra taratasy mampahafantatra azy ireo ny zava-misy marina eto Madagasikara sady manamafy ny tokony hisian’ny fihaonana an-tampony atao eto Madagasikara, iarahan’ireo lehiben’ankolafy politika, handaminana miaraka ity krizy ity. Araka ny fantatra dia nanambara ry zareo avy amin’ny Vondrona Eoropeanina fa izay eken’ny SADC ihany no tanterahin’izy ireo.

Ny tanjona dia ny hahatongavana amin’ny fifidianana malalaka, tsy misy teritery, ankatoavin’izao tontolo izao ary koa ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana tsy misy fepetra. Tamin-kafaliana moa no nandraisan’ny Magro an’izany. Tetsy ankilan’izay dia hentitra ny fanazavany mikasika izay mety ho fifandraisany amin’ireo andian’olona nisintaka tao amin’ny ankolafy Ravalomanana. “Tsy miresaka na miantso an-telefaonina amin’i Mémé izany aho, izay ao Bel’air ihany no antsoiko”. Manamafy ny voalazany ny fanapahan-kevitra nosoniaviny ny 23 martsa 2011, manova ny firafitry ny fiaraha-mitantana ny ankolafy Ravalomanana. Voalaza mazava ao amin’ny andininy faha-2 amin’io ny fanendrena an’i Fanatera Login nisolo an’i Yves Aimé Rakotoarison na i Mémé tao amin’ny fiaraha-mitantana ity ankolafy ity. Mazava izany fa manomboka tamin’io daty io dia tsy afaka misolo tena na miteny amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana intsony i Mémé. Maka toerana amin’ny fiaraha-mitarika ny ankolafy Ravalomanana miaraka amin-dry Mamy Rakotoarivelo, Roland Ravatomanga sy Manandafy Rakotonirina kosa i Fanatera Login. Nanentana ny hisian’ny firaisankina hatrany moa Atoa Marc Ravalomanana, fa “tsy ho ela dia hifarana ny krizy”, hoy izy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT