Politique

Manamboninahitra be galona Tsy faly tamin’ny famerenana an’i Vital


  • Alarobia 23 Martsa 2011


Taorian’ny fanaovana rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato ka nametrahan’ny praiministra miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta fialana dia naneho hevitra ny manamboninahitra jeneraly mitondra kintana telo no ho miakatra. Araka ny loharanom-baovao dia nisy ny fihaonan’izy ireo mivantana tamin’ny filohan’ny FAT. Tamin’izany no nilazan’izy ireo ny hetaheta mikasika an’izay olona tokony hotendrena praiministra. Anisan’ny zava-dehibe nivoitra tamin’ny fihaonana ny filazana fa raha hiverina ao anatin’ny lalàmpanorenana isika dia tokony hanaraka izay ihany koa ny eo anivon’ny miaramila.

Noho izany dia tsy tokony ho ny jeneraly Vital intsony no hatao praiministra satria misy amin’ireo ministra no milanja kintana telo. Ny an’ny raharaham-bahiny aza dia kintana efatra mihitsy. Toa milaza avy hatrany koa anefa ity resaka ity fa mbola mila tanana ho ministra izy ireo. Taorian’ny famerenana indray ny praiministra Vital dia nivorivory matetika ireto manamboninahitra be galona ireto. Maro tamin’izy ireo no tsy faly ary nanao farateny mihitsy fa mirona mankany amin’ny hevitr’olon-tokana indray amin’izao fotoana izao ny FAT. Asa aloha raha hijanona amin’izay ny tsy fahafalian’izy ireo.

 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT