Politique

Ravalison Clément “Ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no vahaolana”


  • Alakamisy 24 Martsa 2011

Resadresaka nivantana tamin’ny filohan’ny antoko AME (Antoko Miombon’Ezaka,) Atoa Ravalison Clément, no nahalalana fa hanolotra olona amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ity antoko ity. Ny fifidianana aminy no vahaolana amin’ny krizy efa ela loatra ka miantso ny rehetra handray andraikitra ry zareo.

Tia Tanindrazana (T.T) : Fijerin’ny AME ny zava-misy eto amin’ny firenena ?

Ravalison Clément (R.C) : Ny fivoahana amin’ny krizy dia tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny fifidianana. Efa samy resy lahatra amin’izany ny rehetra. Mbola miantso ihany koa anefa izahay hoe ‘ndao samy handray andraikitra isika mianakavy fa efa ela loatra ity krizy ity ka efa leo sady mijaly ny vahoaka.

 

T.T : Misy anefa ireo tsy mankasitraka ilay sori-dalana arahina sy hananganana governemanta io ?

R.C : Raha ny isan’ny mpanao politika eto amintsika ankehitriny dia tsy hitovy hevitra avokoa tsy akory ny rehetra sady tsy mety koa raha hoe tsy hisy mpanohitra izany ny fitondram-panjakana mijoro. Raha resaka foto-kevitra fotsiny izao dia lojikan-javatra raha tsy hisy ny mpanohitra fa teto Madagasikara dia nisy ny fifandirana tamin’ny lafiny rehetra ka rariny raha hanao mpanohitra izay tsy mitovy foto-kevitra amin’ny mpitondra. Izay rahateo no tokony hahamora ny fandaminan-draharaha. Mazava fa efa samy manao kajikajy politika amin’ny Repoblika faha-4 daholo ny rehetra ka samy mitady hery handresena ny mpifanandrina.

 

T.T : Tsy miainga hatrany amin’ny Fokontany ve ny hosoka noho ny rafitra tsy ankasitrahan’ny olona ka tsy mampazoto azy misoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ?

R.C : Ny fijeriko azy aloha, raha any amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fotsiny dia tsy ho latsaky ny 10 no efa nilaza ny hirotsaka amin’izany ka raha ireo fotsiny no samy mandefa ny ekipany avy hanara-maso ny fifidianana dia hijery fotsiny ve izy ireo raha misy izany fangalaram-bato izany ? Raha tena mandray anjara daholo ny olom-pirenena manana ny zony miaraka amin’ireo antoko politika sy ireo fiarahamonina sivily dia tsy hisy mihitsy ny halatra izany hatrany amin’ny Fokontany rehetra any. Izahay AME aloha dia tena hanara-maso akaiky izany mihitsy.  Raha ny amin’ny CENI indray kosa dia resaka hafa iny.

 

T.T : Efa vonona amin’ny fifidianana rehetra izany ny AME ?

R.C : Efa tamin’ny volana septambra 2009 no nanao kongresy izahay ary efa nilaza fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hatrany amin’ny kaominaly ka hatrany amin’ny fididianana ny ho filoham-pirenena.

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT