Milaza ny ho tafintohina sy malahelo amin’ny fanambarana nataon’ny amiraly Ratsiraka farany teo nandritra ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny antoko AREMA, izay tena nanakiana ny fitondrana tetezamita ary mitaky ny hisian’ny fihaonana vaovao eo amin’ireo filohan’ny ankolafy ireo mpitolona Arema miara-dia amin’i Pierrot Rajaonarivelo, araka ny nambaran’i Vaovao Benjamin, senatera teo aloha ary mpikambana ao amin’ny «Comité directeur» ny antoko Arema amin’izao fotoana. Mahatsapa izahay, hoy izy rehefa nandinika ny zava-nitranga rehetra fa tahaka ny atao fitaovana fotsiny ny anaran’ny antoko sy ireo mpitarika azy. Tena hafahafa aminay mihitsy araka ny filazany ihany ny fanambarana ataon’Atoa Ratsiraka, satria ny fanatanterahana ny baiko sy ny toromarika avy any aminy anie no nataonay e ! Nazava, araka ny nambaran’i Vaovao Benjamin ny baiko avy any amin’ny amiraly tamin’ny 2002 hoe : tohero mafy ny fitondran’i Marc Ravalomanana satria tsy manaja ny fanjakana tan-dalàna, manao didy jadona ary manao ampihimamba ny harem-pirenena no sady manao kolikoly.
Gaga anefa izahay ankehitriny, hoy ihany ity senatera teo aloha ity, fa toa miara-miasa amin’ity filoha nolazainy fa nanao didy jadona ity indray ny amiraly Ratsiraka ary tena manampy azy mihitsy mba hiverenany eto amin’ny fitondrana. Ho an’i Vaovao Benjamin dia tsy tokony handany fotoana amin’ny fifampidinihana intsony fa miasa amin’izay, satria efa misy lalàmpanorenana vaovao, vita ny sori-dalana neken’ny ankamaroan’ireo antoko politika, ary eo am-pananganana ny rafitra rehetra. Aminy dia fiverenan-dalana indray ny hanatanterahana fihaonana eo amin’ireo filohan’ny ankolafy. Mazava kosa ny valin-kafatra avy amin’ity mpikambana ao amin’ny amin’ny «Comité directeur» ny antoko Arema ity momba ny fanakianana lavareny atao amin’i Pierrot Rajaonarivelo sy ny filazana fa mpamadika izy. Tahaka izao indrindra ny fanazavany : «neken’ny kongresy nasionalin’ny antoko natao tamin’ny 1997 ny maha Sekretera nasionaly an’i Pierrot Rajaonariivelo ary nosoratana ara-dalàna any amin’ny ministeran’ny atitany izany. Tsy mbola niova izany rehetra izany hatramin’izao koa dia tsy mahalala afa tsy i Pierrot Rajaonarivelo izahay raha ny resaka fitantanana ny Arema no hiadian-kevitra. Raha misy olona na vondron’olona mahavita miantso sy manatanteraka kongresy nasionaly, ary manova ny taratasy any amin’ny ministeran’ny atitany dia tokony mijoro izy dia ho hita eo izay fitrangany».
Hita tamin’ity fanehoan-kevitr’i Vaovao Benjamin ity fa tena nivoaka tamin’ny fahanginany sy ny fisalasalany hatramin’izay ireto Arema Pierrot Rajaonarivelo ireto ary namaky ady mihitsy amin’ny filoha mpanorina ity antoko ity izay mbola mialokaloka any Frantsa moa hatramin’izao. Milaza fa mahatarika mpitolona sy kamarady Arema maro be manerana ny nosy izy ireo ary tsy manaiky intsony ny fitarihana ity antoko ity any amin’ny lalan-diso. Manohana tanteraka ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina ihany koa ry Vaovao Benjamin ary azo antoka fa hahazo toerana ao anatin’ny governemanta na ny parlemantan’ny tetezamita hitsangana ato ho ato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.