“Tsy miala isika raha tsy manjaka eto Madagasikara ny marina”, hoy i Rostand, mpanolotsaim-paritra any Ihorombe omaly tao amin’ny Magro Behoririka. “Avoahay i Mamy Rakotoarivelo raha mbola hiresaka”, hoy izy. Nampian’i Olivier Rakotovazaha izany tamin’ny filazana fa mahavariana ny mahita an’ilay vavolombelona tamin’ny televiziona niteny fa i Mamy Rakotoarivelo nitondra fiara no fantany. «Tsy mbola nahita an’iny olona iny nitondra fiara aho”, hoy ity Sekretera jeneralin’ny antoko MFM ity. Zatra andro mafana any Toliara kosa ny Tokobe Telo ka mafampana tahaka izany hatrany ny fitenenana ataon-dry zareo rehefa miakatra ao amin’ity kianjan’i Magro Behoririka. Hentitra ny nambaran’i Sazalahy Tsianihy omaly nilaza mila hafainganina ny raharaha satria i Andry Rajoelina dia tsy mieritreritra hamarana tetezamita velively fa hifikitra mafy amin’ny fahefana izay tiany hamafisina tamin’ilay sori-dalan’i Simao iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.