• Alatsinainy 23 Mey 2011
Politique.Fihaonana any Gaborone Iza avy no mpandray anjara ?

Efa any amin’ilay fampiantsoana fivoriana hatao ao amin’ny foiben-toeran’ny SADC any Bostwana ny adihevitra eny anivon’ireo etamazaoro politika samihafa amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Mey 2011
Politique.Tsy aritra Mbola mety haharitra ny adihevitra !

Tsy moramora ny mamaha krizy manana fakany maromaro tahaka ny misy eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny manampahaizana momba ny politika iray tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Mey 2011
Politique.Marc Ravalomanana Sambasamba tao Morondava

Nitondra fanazavana mikasika ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, indrindra ny fandaminana ny krizy iarahana amin’ny SADC, tamin’ny vahoakan’i Menabe ny filoha Marc Ravalomanana, raha niditra an-tariby nivantana avy atsy Afrika Atsimo ny alarobia lasa iny.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Mey 2011
Politique.Fihaonan’ny ankolafy Miandry ny fanapahan-kevitry ny matanjaka ?

Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe : fa nahoana no tsy nanapa-kevitra avy hatrany momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny Sadc fa mbola nampiantso fivoriana hafa indray eo amin’ireo ankolafy politika isan-kazarany eto amin’ny firenena ?

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Mey 2011
Politique.Praiminisitra Camille Vital Ny fihaonana any Gaborone no hamaritra ny hoaviny

Hitohy any Gaborone renivohitr’i Botswana ny fihaonana hikatsahana vahaolana maharitra mikasika ny krizy eto Madagasikara, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC natao tany Windhoek Namibia ny zoma 20 mey lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 23 Mey 2011
Politique.Fiara nitondra ny Pr Zafy Voatifitra teny Anosy

Raha ahiahy no nitaterana teto ny zoma 20 mey fa fofoina amin’ny lakrimôzena ny ain’ny profesora Zafy Albert dia voamarina tokoa izany raha ny trangan-javatra nihatra taminy ny sabotsy 21 mey, andro fahefatra amin’ny hetsika nataon’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana tarihiny.

Hamaky ny tohiny
FTT