Efa any amin’ilay fampiantsoana fivoriana hatao ao amin’ny foiben-toeran’ny SADC any Bostwana ny adihevitra eny anivon’ireo etamazaoro politika samihafa amin’izao fotoana izao.
Ny amin’izay ho mpandray anjara amin’io fihaonana io no tena resaka. Samy manana ny heviny ireo mpanao politika mikasika azy io. Na tsy nambarany mivantana aza dia te hilaza i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, fa tsy voakasika amin’izany ny tenany. Raha nampiantso mpanao gazety teny amin’ny trano fonenany eny Ambatobe ny tenany ny harivan’ny sabotsy 21 mey teo, dia nilaza fa ireo vondron’antoko sy antoko politika nanao rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao teny Ivato ny 09 martsa 2011 miampy ireo filoham-pirenena telo teo aloha no hantsoina hanao sonia io sori-dalana io any Gaborone. Raha mahazo fanasana manokana amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy izy vao mandeha. Raha naneho ny heviny indray i Fetison Rakoto Andrianirina, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sady mpitarika ny Komity firaisankina amin’ireo ianjadian’ny tsindrihazolena, dia nilaza fa ireo filohan’ny ankolafy efatra, efa niara-nidinika hatrany am-piandohana amin’ny famahana ny krizy no tokony hihazo an’i Botswana miampy mpitarika vondrona politika iray na roa eo raha be indrindra.
Manamafy io koa ny hevitry ny Profesora Zafy Albert sady filohan’ny Ankolafy Zafy. Nametra-panontaniana moa ity farany raha ho avy i Andry Rajoelina, izay namerimberina faramparany teo fa fandaniana andro ny mbola hihaona sy hidinika amin’ireo filoham-pirenena teo aloha. Tao amin’ilay fehin-kevitr’ireo filoham-pirenena sy solontenam-panjakana eo anivon’ny SADC nivory tsy ara-potoana tany Windhoek ny 20 mey teo anefa dia tsy namaritra mazava izay tena ho mpandray anjara amin’io fivoriana hatao ato ho ato any Gaborone io, fa dia nilaza tamin’ny ankapobeny ny ilana ny hisokafan’ny dinika hahitana vahaolana maharitra hamaranana ny krizy sy ny hoe miantso ireo ankolafy politika Malagasy. Ny hany mazava dia ny filohan’ny SADC, ny filohan’ny rafitra mandinika ny resaka politika sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny SADC ary ny lehiben’ny mpanelanelana no hitarika io fivoriana hatao ao amin’ny foiben-toeran’ny SADC any Botsawana io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.