Politique

Marc Ravalomanana Sambasamba tao Morondava


  • Alatsinainy 23 Mey 2011

Nitondra fanazavana mikasika ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, indrindra ny fandaminana ny krizy iarahana amin’ny SADC, tamin’ny vahoakan’i Menabe ny filoha Marc Ravalomanana, raha niditra an-tariby nivantana avy atsy Afrika Atsimo ny alarobia lasa iny.

 Nandritra ny fihaonana nokarakarain’ny Vondron’Olontsotra tao Morondava, izay niandoha tamin’ny Karnavaly no nisian’izany. Hafaliana ny an’ny olona izay tonga maro be, nisy ny latsa-dranomaso raha nandre indray ny feony, sy te hahafantatra sy hahalala  ny zava-misy. Sambasamba rahateo no nandrenesan’ny vahoaka tany an-toerana mivantana ny feony taorian’ny 17 martsa 2009, voatery nialany teto ka nanaovany sesitany ny tenany tatsy Afrika Atsimo noho ny fifofoana ny ainy nataon’ireo mpanongam-panjakana tamin’izany. Araka ny fantatra dia tao Morondava no niainga ny fiaramanidina nitondra ny fianakavian’ny filoha niala teto Madagasikara, tamin’io andro io. Manao izay azo atao ny SADC sy ny firenena namana rehetra, hoy Atoa Marc Ravalomanana na dia miziriziry amin’ny heviny aza ny mpitondra tsy ara-dalàna.

Tsy mety, hoy izy, raha i Madagasikara  no manome ohatra ratsy ho an’i Afrika sy ny tany an-dalam-pandrosoana ka tsy ekena. Olona tsy mahalala afa tsy tombontsoany manokana ireo mpitondra ireo. Vokany, mihatra amin’i Madagasikara ny famaizana, ka mikatso avokoa ny famatsiam-bola ary raha izao no mitohy dia vao mainka ho sahirana ny vahoaka Malagasy. Nanoloana ny antso «Modia, modia» nataon’ireo vahoaka marobe tao Morondava dia namerina indray Atoa Marc Ravalomanana fa hody izy. “Tsy nisy zavatra ratsy nataoko teto amin’ny fireneko. Matoky an’Andriamanitra aho fa izy no mahalala sy mandahatra ny zava-drehetra. Misy asa atao hampahafantarana izao tontolo izao fa tsy ara-dalàna no misy ao Madagasikara, ka tsy maintsy arindra tsara ny fotoana”.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT