Hitohy any Gaborone renivohitr’i Botswana ny fihaonana hikatsahana vahaolana maharitra mikasika ny krizy eto Madagasikara, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC natao tany Windhoek Namibia ny zoma 20 mey lasa teo.
. Ny mpivory tamin’io dia nanantitrantitra ny hisian’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra, tsy ankanavaka, amin’ny fikatsahana vahaolana ary naniraka ny filohan’ny SADC, dia ny filoha Namibiana am-perinasa, ny filohan’ny Troika SADC dia ny filoha Zambianina Rupia Banda, ary ny lehiben’ny mpanelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara, dia i Joaquim Chissano hamory ato anatin’ny fotoana fohy ireo lehiben’ny ankolafy politika malagasy rehetra, fivoriana izay hatao any Gaborone. Fihaonana manan-daja ity hatao ity, satria dia horesahina sy hodinihina amin’izany ny amin’ireo rafitra ao anatin’ny tetezamita, indrindra ny amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena sy ny Praiminisitra. Raha ny resaka efa nandeha nandritra ny dinika tany Windhoek farany teo dia tsy mahafeno ny fepetra ho amin’izany toerana izany ny jeneraly Albert Camille Vital.
Io fihaonana any Gaborone io, araka izany, no hamaritra ny hoavy politikany. Fa anisan’ny zava-dehibe horesahina sy hodinihina ary handraisana fanapahan-kevitra mandritra io fihaonana io koa ny momba ny filoha Marc Ravalomanana : ny fodiany an-tanindrazana sy ny fahafahany milatsaka hofidiana filoham-pirenena, ny amin’ny fifidianana ho avy eo. Eo indrindra indrindra koa ny amin’ireo gadra politika sy ny famotsoran-keloka izay tsy handraisana fanapahan-kevitra. Raha fehezina dia izay ho votoatin’ny sori-dalana hitondrana ny tetezamita mihitsy no harafitra amin’io fihaonana any Botswana io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.