Tsy moramora ny mamaha krizy manana fakany maromaro tahaka ny misy eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny manampahaizana momba ny politika iray tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.
Misampantsampana ary isan-karazany mantsy ny olana. Tsy voatery ho vahaolana tokana no aroso hamahana ny krizy, ary tsy mety ny mamolavola drafitra maimaika. Aleo aza mihemotra ny fifidianana dia mazava tsara ny fifampiresahana sy ny adihevitra, hoy ihany ity manampahaizana ity, fa raha zavatra tandrametaka no atao eto dia hiverina ihany ny tsy nety teo aloha, izany hoe tsy fifidianana ara-pomba demokratika no atao fa fampandaniana olona iray sy ny antokony fotsiny.
Nambarany ihany fa aleo tena miala nenina ary mijery ny lalana rehetra amin’ny fifampiresahana, fa tsy taitaitra maika hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena ka mihazakazaka amin’ny fifidianana azo antoka fa hampiady rehefa avy eo. Nanamafy ity manampahaizana momba ny politika ity fa io fifidianana io no mampiady an-trano lava ny Afrikanina satria samy te hahazo fitondrana koa samy manao izay hitany fa mety ireo kandida, ary tsy misy manana fomba fisainana tena mpanao politika fa mpikarama an’ady no betsaka, ka amin’izy ireo, fitondrana sy fahefana mira vola be.
Nohamafisina anefa fa tsy hoe raha raikitra ny fihaonan’ireo ankolafy politika any Gaborone Botswana dia tonga dia hivoaka avy hatrany ao anatin’ny andro vitsivitsy ny fehinkevitra, na sori-dalana izay eken’ny rehetra, fa mety mbola hisy indray ny tsy hanaiky na hitsivalana na hitaky fanitsiana, koa tena mila faharetana izy io satria ny hoavin’ny firenena no jerena. Efa niaraha-nahita, hoy ihany ity manampahaizana ity ny nitranga tany Maputo, Addis Abeba, Pretoria, efa tsy latsaky ny in-dimy no nisy karazana fihaonan’ny mpanao politika teto Madagasikara kanefa tsy mbola hita ny vahaolana satria nasisika foana ilay hoe mila manao fifidianana haingana. Dia ho hita eo ny mety ho fivoakan’io fivoriana ala nenina io, ary miady ihany koa ny rehetra raha tena tia tanindrazana marina ny mpanao politika Malagasy na mbola tia tena ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.