Raha ahiahy no nitaterana teto ny zoma 20 mey fa fofoina amin’ny lakrimôzena ny ain’ny profesora Zafy Albert dia voamarina tokoa izany raha ny trangan-javatra nihatra taminy ny sabotsy 21 mey, andro fahefatra amin’ny hetsika nataon’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana tarihiny.
Notifirin’ny miaramila teny Anosy, manoloana ny tranoben’ny teti-pivoarana, izay toeram-piasan’ny Profesora Zafy fony izy filohan’ny HAE (Haute Autorité de l'État), ny fiara 4x4 Huyndai, miloko fotsy, nitondra azy. Tifitra akaiky sady marindrano no nataon’ny miaramilan’ny Emmoreg, niainga avy eny ambony fiara 4x4 Toyota “pick-up”, miloko manga antitra, no niantefa tamin’ny fiarany avy aty aoriana, rehefa avy nanaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ireo vahoaka vory maro nitangorona hihaino izay fanazavana hataon’ity rain’ny demôkrasia ity. In-droa niantefa ny tifitra raha ny fahitana ny fahasimbana tamin’ilay fiara. Soa fa tany amin’ny kodiarana fanolo, mipetaka amin’ny varavarana aorian’ny fiara nitondra ny profesora no niantefa ny dona, fa raha niakatra kely 30 santimetatra monja dia azo antoka fa namaky ny fitaratra aoriana, ary zava-doza no mety naterak’izany satria tao amin’ny seza aoriana amin’ilay fiara ny profesora no nitoetra tamin’io fotoana io. Fiara teny am-pandehanana nanavotra ny proferosara niala ny toerana teo Anosy ity narahana tifitra ity. Raha nihodivitra kely koa dia mety niantefa tany amin’ny fitoeran-tsolika no niantefa ny tifitra, ka mety nitarika firehetan’ny fiara ny tselatra nateraky ny dona, ary dia ho zava-doza koa no niseho. Andriamanitra tsy tia ratsy, na dia mazava aza eto ny tetika. Tsy te hisambotra na koa hampiantso ity Olobe ity hatao fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.
Dia sanatria misy alaim-panahy hiditra any amin’ny fifofoana ny ainy indray mihitsy ? Na eo aza anefa izany sedra samihafa izany dia hentitra ny profesora Zafy Albert nilaza fa tsy hihemotra ny tenany fa hijoro hatrany hitarika ny tolona mandra-pijoron’ny tetezamita tena izy sy iarahana eto. Nilaza ny tsy hametraka fitoriana koa ny tenany, mety tsy fatokisana ny fitsarana. Vetivety dia niely ny vaovao, mikasika ity zava-nanjo ny filoha Zafy Albert tamin’ny sabotsy ity. Manamora izany rahateo ny fisian’ny teknôlôjian’ny fifandraisana toy ny finday. Nanao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olona avy any amin’ny Faritra. Tao ny malahelo, fa maro koa ireo mampitandrina raha misy manjo ity rain’ny demokrasia sady mikely aina mba hahatanterahan’ny fihavanam-pirenena eto Madagasikara ity.
Fa ankoatra izay dia miverina mahery setra ireo mpitandro ny filaminana raha ny fahitana azy ireo tamin’io sabotsy io. Raha vao mahita tangoron’olona, na mpiandry taxibe aza, dia efa avy nandraraka vovoka fotsifotsy manaikitra maso sy manempotra amin’izay toerana lalovany izy ireo. Mbola nizotra tsara avokoa ny fifamoivoizana tamin’ireo lalana mampifandray Anosy dia efa nanipy baomba lakrimôzena izy ireo tamin’io andro io. Maro no sempotra, satria tratry ny tampoka. Tsy vitsy koa ny fiara fitateram-bahoaka tavela teny afovoan’arabe satria jambena hatramin’ny mpamily. Nisaritaka ny mpandeha, nibosesika namonjy varavarana nivoaka. Voatery nentina tao amin’ny HJRA ny sasany, indrindra ireo kilonga madinika. Mahery vaika rahateo ny fofona.
Sary : Tabera Andriamanantsoa manondro ny fahavoazana tamin’ny fiara nitondra ny Pr Zafy Albert
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.