Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe : fa nahoana no tsy nanapa-kevitra avy hatrany momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny Sadc fa mbola nampiantso fivoriana hafa indray eo amin’ireo ankolafy politika isan-kazarany eto amin’ny firenena ?
Tsy ho amin’ity volana mey ity aloha no hanatanterahana io fivoriana io fa mety amin’ny fiandohan’ny volana jona 2011. Tsy dia tokony hagaga ihany anefa izany satria ny fianakaviambe iraisam-pirenena no naniraka na nanome fahefana ny Sadc mba hanelanelana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ka noho izany na ahoana na ahoana fitrangan’ny raharaha dia tsy maintsy manao tatitra any amin’ireo naniraka azy aloha ry Chissano sy ny tariny izay vao miandry ny toromarika ka mamoaka ny fehin-kevitra farany amin’izay. Fa ankoatra io dia tsara ho marihana fa hisy ny fihaonamben’ireo tany valo manankarena sy manankatao indrindra ny 26 sy 27 mey ho avy izao any Deauville Frantsa. Io ilay fihaonan’ny G8 ka araka ny vaovao voaray avy any ampita any dia hisy ny fihaonana manokana eo amin’ny filoha Amerikanina sy Frantsay ary Rosianina miaraka amin’ny praiminisitr’i Japon.
Manodidina ny fiainana ara-politika sy ara-toekarena manerana izao tontolo izao io fihaonana eo amin’ny efa-tonta io, ary azo antoka fa hisy ny fandinihana ny raharaha mafampana rehetra isaky ny kaontinanta sy ny firenena tsirairay avy ary ny fanapahan-kevitra na ny fepetra tokony horaisina manoloana ireo olana isan-karazany ireo. Tsy tokony hohadinoina fa efa misy ny politikan’ny fizarana eo amin’ireo firenena goavana ireo ka samy manana ny faritaniny avy maneran-tany izy ireo ka raha misy ny fanapahan-kevitra horaisina dia tsy maintsy misy foana ny fifampierana. Zanatany Frantsay fahiny i Madagasikara, nefa manana tombontsoa eto ihany koa ny Amerikanina sy ny firenena hafa tahaka an’i Japon sy i Chine ohatra, mety efa mba manana ny eritreriny momba ny ho endri-piaraha-miasa tiany atao amin’i Madagasikara ihany koa i Rosia.
Azo antoka ihany koa fa tsy maintsy haharay ny tatitra momba ireo karazana krizy sy fifanolanana aty Afrika ireto firenena matanjaka ireto ka hamoaka ny heviny. Na ahoana na ahoana mantsy dia tompon’ny teny farany amin’ny zava-misy rehetra eto ambonin’ny tany ny ao amin’ny G8 satria any amin’izy ireo ny vola sy ny fahefana. Manampy izay dia mbola hisy ihany koa ny fivorian’ny vondrona Afrikanina ny alamakisy ho avy izao. Ny marina dia ny raharaha any Libia no hodinihana manokana ao, mety tsy hahasakana ny hiresahana vetivety ny raharaha eto Madagasikara anefa izany rehetra izany. Aorian’ireo karazana fihaonana ireo vao hotanterahana ny fihaonan’ireo ankolafy politika any Gaborone, araka ny toromariky ny Sadc nivoaka ny zoma lasa teo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.