• Zoma 11 Jolay 2014
Politique.Ratrema William Mikendry ho Ben’ny tanànan’Antananarivo

Betsaka ny sehatra ahafahana mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena. Anisan’io ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara........

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Jolay 2014
Politique.Nofohazin’ny GIS-M ny tondrozotra “Ampodio ireo sesitany politika !”

Dingana lehibe no vita tamin’ny nanafoanan’ny «Groupe International de Contact-Madagascar» ny sazin’i Madagasikara ny 28 martsa 2014 nandritra ny fihaonana faha-9 notanterahan’ity vondrona ity teto Antananarivo

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 09 Jolay 2014
Politique.Antenimieram-pirenena Mangina ny eny Tsimbazaza na eo aza ireo mpiandry tanàna

Ankoatra ireo mpiandraikitra ny filaminan’ny Lapa sy ireo mpiasa raikitra any anaty biraony any avy izay samy mpiandry tanàna ara-bakiteny, dia anisan’ireo azo sokajiana ho mpiandry ny tanàna eny amin’ity Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ity koa ireo

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 09 Jolay 2014
Politique.Depiote Ravahimanana Guillaume Ambatomanjaka anio no hamaranany ny fitsidihany Kaominina

Ambatomanjaka sisa no Kaominina tsy voatsidiky ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny Distrikan’i Miarinarivo Itasy, Ravahimanana Guillaume, amin’ireo 14 misy any an-toerana. Izany dia tafiditra amin’ny fanaovany tatitry ny zava-nisy teny amin’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fivoriana ara-potoana natrehan’izy ireo.....

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 09 Jolay 2014
Politique.Te hanjaka tokana ?

Mazava tsara mihitsy ny tenin’ny manamboninahitra jeneraly iray nanana andraikitra lehibe sy makadiry teto amin’ny firenena raha sendra tafaresaka taminy ny tena. “Tena potika tanteraka ny firenena, hoy izy. Tsy matoky ny rafitra misy intsony ny olona, tsy misy intsony izany fanajana ny lalàna izany. Tafiditra any amin’ny rafitra rehetra ny kolikoly, toy ny tafika, ny Fitsarana, ny fampianarana, ny fananan-tany. Izany no vokatry ny fanonganam-panjakana nisy teto sy ny fanjakan’i Baroa nandritra ny tetezamita…

Hamaky ny tohiny
  • Talata 08 Jolay 2014
Politique.Tapa-kevitra i Alain Ramaroson Hampihetsika ny fanjakam-bahoaka

Tsy ny eto Antananarivo ihany no misy ny fandravana trano fonenan’ny vahoaka fa hita manerana ny nosy io trangan-javatra mampalahelo io, hoy ny filohan’ny antoko Masters Alain Ramaroson nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Ankadimbahoaka omaly nisantatra ny fanaterana ireo biriky tafiditra ao anatin’ilay hetsika voin-kava-mahatratra karakarain’ny fiombonamben’ny mpanohitra.....

Hamaky ny tohiny
FTT