Ankoatra ireo mpiandraikitra ny filaminan’ny Lapa sy ireo mpiasa raikitra any anaty biraony any avy izay samy mpiandry tanŕna ara-bakiteny, dia anisan’ireo azo sokajiana ho mpiandry ny tanŕna eny amin’ity Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ity koa ireo
mpikambana eo anivon’ny birao mahatritra tsy afa-miala amin’ny fampandehanan-draharaha ankapobeny na dia misy ihany aza ireo sasantsasany mba lasa namonjy vady aman-janaka ihany koa taorian’ny fiafaran’ny fivoriana ara-potoana ny zoma lasa teo. Tazana teny an-toerana omaly ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max, izay mandray olona tsy tapaka. Tsetsatsetsa tsy aritra no hanamarihana fa efa tafaverina amin’ity filohan’ny Antenimiera ity ilay fiara Citroen C6 nampiasain’ireo nodimbiasany teo aloha saingy niova loko ho mainty miraratry ny mpitondra fanjakana. Efa mamofompofona eny an-toerana kosa anefa ny fanomanana izany fivoriana tsy ara-potoana noventesina tao ho ao izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.