Politique

Nofohazin’ny GIS-M ny tondrozotra “Ampodio ireo sesitany politika !”


  • Alakamisy 10 Jolay 2014

Dingana lehibe no vita tamin’ny nanafoanan’ny «Groupe International de Contact-Madagascar» ny sazin’i Madagasikara ny 28 martsa 2014 nandritra ny fihaonana faha-9 notanterahan’ity vondrona ity teto Antananarivo

Hita mantsy ireo ezaka goavana nataon’ny firenena Malagasy mba hivoahana amin’ny krizy lavareny nanapotika ny fiarahamonina. Mbola fepetra tsy miova fa takian’ny «Groupe International de Soutien-Madagascar» kosa anefa ny fampiharana manontolo ny tondrozotra ahafahana manampy ny mpitondra fanjakana vaovao amin’ny fanarenana ny lafiny ara-tsosialy miaraka amin’ny sehatry ny toekarena. Nohamafisin’ny filoha mpiara-mitantana ny fivoriana voalohan’ny GIS-Madagascar, ny masoivohon’ny Vondrona afrikanina misahana ny birao fifandraisana eto Madagasikara, Hawa Ahmed Youssouf moa ny maha zava-dehibe ny fanatontosana ny fampihavanam-pirenena, ny fikarakarana ireo karazam-pifidianana isan-tsokajiny miaraka amin’ny fametrahana ireo andrim-panjakana rehetra izay fototry ny demokrasia. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy Razafitrimo Lala Arisoa izay filoha niara-nitarika ny dinika omaly teny Ankorondrano kosa dia namariparitra ireo laharam-pahamehana roa nimasoan’ny fanjakana Malagasy tao anatin’izay fotoana nijoroany izay dia ny famerenana ny Fanjakana tan-dalàna sy ny fampiaingana ny tontolo ara-toekarena tao anatin’ny fahamarinan-toerana sy filaminana ara-tsosialy. Teboka iray tena manan-danja ary tsikaritra ho sakana amin’ny firoson’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny roa tonta kanefa tsy azo ialana dia ny mikasika ny fampodiana ireo sesitany politika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT