Politique

Depiote Ravahimanana Guillaume Ambatomanjaka anio no hamaranany ny fitsidihany Kaominina


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Ambatomanjaka sisa no Kaominina tsy voatsidiky ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny Distrikan’i Miarinarivo Itasy, Ravahimanana Guillaume, amin’ireo 14 misy any an-toerana. Izany dia tafiditra amin’ny fanaovany tatitry ny zava-nisy teny amin’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fivoriana ara-potoana natrehan’izy ireo.....

Nisy ihany koa fakana soso-kevitra mivantana avy amin’ny vahoaka hoentina amin’ny fifanatrehan’ny mpanatanteraka sy mpanao lalàna ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza amin’ny fivoriana manaraka. Anio Alarobia 9 jolay no hanatanterahany an’io fitsidihana Kaominina farany io raha natombony tamin’ny faran’ny herinandro teo izany. Niavaka tao anatin’izany ny fitokanany ireo sekoly Epp tany Mandiavato sy Zoma Be Aloka any Analavory, ny fanokafana ny foara tao Analavory ary ny mbola hanokafany ny foara ao Manazary amin’ny zoma 11 jolay izao. Ankoatra ireo, hoy ny depiote Guillaume, dia vaindohan-draharahako ny fanentanana amin’ny fanaovana “curage” ny lemak’Ifanja izay antoky ny fahalavorarian’ny vokatra any aminay any. Mikasika ny raharaham-politika dia nambaran’ny depiote Ravahimanana Guillaume fa efa mikarakara ny fananganana indray ny birao politikan’ny TIM any Miarinarivo ry zareo ka ho tafiditra avy hatrany ao anatin’izany ireo mpikambana tao amin’ny antoko Zanak’i Dada izay notarihany teo aloha.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT