Tsy ny eto Antananarivo ihany no misy ny fandravana trano fonenan’ny vahoaka fa hita manerana ny nosy io trangan-javatra mampalahelo io, hoy ny filohan’ny antoko Masters Alain Ramaroson nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Ankadimbahoaka omaly nisantatra ny fanaterana ireo biriky tafiditra ao anatin’ilay hetsika voin-kava-mahatratra karakarain’ny fiombonamben’ny mpanohitra.....
Tsy azo ekena ny fandrodanana fotodrafitrasa efa misy fonenan’ny mpiray tanindrazana mba hanjakazakan’ny vahiny mpanambola, hoy ny tenany. Izany indrindra no nanentanany ireo traboina tsy fidiny mba hijoro hatramin’ny farany tsy hiala eo amin’ny toerana efa nohajariana taona maro. Nandrasana ihany ny fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana tao anatin’izay volana vitsivitsy izay ka rehefa tsy hanao izy ireo dia handray andraikitra ny fanjakam-bahoaka. Asa avy hatrany no hiantsoany ny Malagasy mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’ny alalan’ny fitondrana biriky eny Ankadimbahoaka ny sabotsy 12 jolay 2014 izao hanorenana trano ho an’ireo fianakaviana mandry ao anaty trano lay ankehitriny. Fotoana ihany koa io niantsoany ny besinimaro hanotrona ny fianakaviamben’ny mpanohitra hanatitra ny velirano eny amin’ny minisiteran’ny Atitany ny alarobia 9 jolay ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.