• Talata 26 Aogositra 2014
Politique.Rakotondrabe Maurice Mbola hanohy ny fitantanana ny kaominin’i Tanjombato

Taorian’ny nandanian’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara farany teo an’ireo volavolan-dalàna telo mahakasika ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia nanambara ny Ben’ny tanàna am-perinasan’ny Kaominin’i Tanjombato

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Aogositra 2014
Politique.Randrianasolo Jean Nicolas Tsy maintsy manitsy ny filoha aho fa tsy afaka hitazam-potsiny

Tsy afaka ny hitazam-potsiny ny zava-tsy mety eto amin’ny firenena ny tenako fa tsy maintsy manitsy ny famindran’ny filoham-pirenena sy ireo ekipany amin’ny mpanatanteraka, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Aogositra 2014
Politique.Tsimisoma Attuyat « Mila hazavain’ny filoha ny fitantanana ny volam-bahoaka »

Tonga dia nahitsy tanteraka ny tenin-dRtoa Tsimisoma Attuyat filoha nasionalin’ny Green Gasikara amin’ny filazana fa tompon’andraikitra feno ary tsy tokony hiala bala amin’ny fanomezam-pahefana ny praiministra sy ireo minisitra mitantana ny fampiasam-bolam-bahoaka ankehitriny ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 25 Aogositra 2014
Politique.Fametrahana ny solombavambahoaka NINA Tsy noraharahain’ny fanjakana

Na minisitra na ny mpitondra na ny solontena ao Mahajanga aza dia tsy nisy tonga nanotrona ny fametrahana ny samboady ny solombavambahoaka MAPAR lany tao Mahajanga I dia Rahantanirina Lalao (Nina) ny zoma 22 Aogositra teo. Efa nisy ihany ny fandefasana fanasana tamin’ireo tompon’andraikitra ireo, hoy ity solombavabahoaka ity saingy tsy tonga namaly ny antso izy ireo. Tsy

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 25 Aogositra 2014
Politique.Fikambanana COI Fanjanahantany vaovao

Tsy dia nisy zavatra nisongadina firy fa fivoriana tahaka ny fivoriana rehetra ihany ny fihaonambe fahefatr’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana mivondrona ao anatin’ny vaomieran’ny ranomasimbe indiana (COI) natao tany Moroni –Kaomoro. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’ireo nosy ny resaka ka ny fampiasana ny politika sy ny diplaomasia mba ho fanoitra amin’ny fampandrosoana no tanjona.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 22 Aogositra 2014
Politique.Solontenan’ny Antenimieram-pirenena eny amin’ny HCC Nampirevy ireo depiote teny Tsimbazaza omaly

Naneho ampahibemaso tamin’ny alalan’ny fisaorana an-teny fohy sy fiarahana nandray zava-pisotro sy nihinana ny nofonkena mitam-pihavanana (cocktail) niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena sy ireo depiote tsotra maromaro teny Tsimbazaza omaly,

Hamaky ny tohiny
FTT