Tonga dia nahitsy tanteraka ny tenin-dRtoa Tsimisoma Attuyat filoha nasionalin’ny Green Gasikara amin’ny filazana fa tompon’andraikitra feno ary tsy tokony hiala bala amin’ny fanomezam-pahefana ny praiministra sy ireo minisitra mitantana ny fampiasam-bolam-bahoaka ankehitriny ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina
Andraikitry ny governemanta, hoy izy, ny mitantana ny volam-panjakana hanomezana fahafaham-po ny vahoaka amin’ny fanatanterahana ny hetahetany. Tsy tokony hohadinoin’ireo minisitra notendrena ireo, hoy izy, fa natao hitantana ny volam-bahoaka araka ny filàn’ny mponina izy ireo fa tsy sanatria ataon’izy ireo amin’izay hitiavany azy. 6 ka hatramin’ny 7 volana izao no nipetrahan’ny fitondram-panjakana ara-dalàna, tsy hita taratra mihitsy izay zava-bita mivaingana miantraika amin’ny fiainam-bahoaka eo fa ny fahasahiranana no tsy mitsaha-mitombo. Mahita, araka izany, izahay Green Gasikara, hoy ity filohany ity, fa mila vahaolana haingana sy maharitra ny vahoaka Malagasy mpandoa hetra. Mila asa maharitra sy mahavelona izy, mila vidim-piainana tsy midangana loatra, mila solika mora vidy fa tsy refirefesina amin’izany resaka “vérité de prix” izany, mila fandriampahalemana matotra hahazoana mamokatra tsy amin’ahiahy. Mila miverina amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny asa mivaingana hitan’ny masony ny vola laniny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.