Tsy dia nisy zavatra nisongadina firy fa fivoriana tahaka ny fivoriana rehetra ihany ny fihaonambe fahefatr’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana mivondrona ao anatin’ny vaomieran’ny ranomasimbe indiana (COI) natao tany Moroni –Kaomoro. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’ireo nosy ny resaka ka ny fampiasana ny politika sy ny diplaomasia mba ho fanoitra amin’ny fampandrosoana no tanjona.
Hanambatra ny hery
Niantso ny rehetra mba hanambatra ny hery ny filoha Malagasy izay filohan’ny COI am-perinasa. Mila manambatra ny hery isika mba hahafahantsika miaro ny tombontsoan’ny faritra misy antsika hoy, i Hery Rajaonarimampianina. Hifantoka kokoa amin’ny fiahiana ara-tsakafo, ny fitaterana an-dranomasina sy anabakabaka ary an-tanety, ny fitandroana ny fandriampahalemana mba hisian’ny fitoniana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, ny fampahafantarana misimisy kokoa ny COI manerantany ny asa atrehana manomboka izao, araka ny nifaneken’ny mpizaika tao Moroni. Niarahaba an’i Madagasikara noho ny niverenany ao anatin’ny ara-dalàna ireo mpikambana rehetra ao amin’ny COI ary nanome toky fa hanampy antsika amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena, i Madagasikara no atao sompitry ny faritra noho izy manana tany midadasika lonaka sy afaka mamokatra tsara. Nosoniavina nandritra izao fivoriana tany Moroni izao ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-miaramila eo amin’i Madagasikara sy ny nosy Kaomoro ka dia hisy indray izany manomboka izao ny manamboninahitra Kaomoriana hofanina ao amin’ny Akademia miaramila-Antsirabe. Tsy voaresaka nandritra ny fihaonana kosa ny momba ireo nosy fananan’i Madagasikara kanefa bodoin’i Frantsa.
Fatiantoka
Tsapa fa tsy dia misy tombontsoa firy ho an’i Madagasikara ity fikambanam-paritra COI ity, ary tena karazan’ny mihaingo ambony tsokokoko ihany ny filoham-pirenena raha dedaka fa hoe filoha am-perinasan’ny COI.Tsy hita pesipesenina ny fahasahiranan’ny Malagasy, tena gidany isika aty amin’ny ranomasimbe Indiana, manaboto ny Malagasy hatramin’ny Maorisiana sy ny Kaomoriana izao, ataon’ny nosy sasany fanariana ny entana efa lany daty isika ary potiky ny entana avy any amin’ny nosy sasany ihany koa ny vita Malagasy eto Madagasikara.Ary ny tena mampatahotra dia ny hanaovan’i Frantsa ho fitaovana politika hahafahany mifehy bebe kokoa ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana ity fikambanana COI ity, izany hoe fanjanahantany amin’ny endriny vaovao indray. Ka tsy fatiantoka ve izany no azontsika avy amin’ity COI ity e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.