Naneho ampahibemaso tamin’ny alalan’ny fisaorana an-teny fohy sy fiarahana nandray zava-pisotro sy nihinana ny nofonkena mitam-pihavanana (cocktail) niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena sy ireo depiote tsotra maromaro teny Tsimbazaza omaly,
ireo mpikambana mirahalahy vao lanin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara hisolotena azy ireo eo anivon’ny Fitsarana Avon’ny Lalàmpanorenana (Dama Andrianarisedo Retaf Arsène sy Zafimihary Marcellin). Mahazo mandry ivohon’ny vato ianareo solombavambahoaka nifidy anay mirahalahy, hoy izy ireo, fa tsy handraraka ilo mby an-doha izahay fa hahatsiaro mandrakariva ny soa azonay taminareo. Tsy tongatonga ho azy ny fahalanianareo mirahalahy, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max fa ianareo no mendrika ka mitso-drano anareo hahaleo hahalasa izahay, mba samy ho ela fanapahana isika rehetra ka hisondro-boninahitra hatrany hatrany. Efa misy lalàna fehizoro nalefanay any amin’ny HCC fa miandry anareo mirahalahy angamba vao hetsehana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.