Politique

Fametrahana ny solombavambahoaka NINA Tsy noraharahain’ny fanjakana


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2014

Na minisitra na ny mpitondra na ny solontena ao Mahajanga aza dia tsy nisy tonga nanotrona ny fametrahana ny samboady ny solombavambahoaka MAPAR lany tao Mahajanga I dia Rahantanirina Lalao (Nina) ny zoma 22 Aogositra teo. Efa nisy ihany ny fandefasana fanasana tamin’ireo tompon’andraikitra ireo, hoy ity solombavabahoaka ity saingy tsy tonga namaly ny antso izy ireo. Tsy

nametraka olana tamin’izany anefa i Nina fa ny fanotronan’ireo vahoaka maro tonga teny anoloan’ny lapan’ny tanàna no zava-dehibe taminy na dia nisy ihany aza ny fakana mpanakanto malaza nanafana ny lanonana. Ny filoha lefitra ny Antenimeram-pirenena Freddie Mahazoasy avy any Antsiranana no nametraka ny samboady teo amin’ity solombavabahoaka Nina ity izay notronon’ireo solombavabahoaka MAPAR namany avy amin’ny faritra hafa ary ireo depiote ny antoko hafa toy ny antoka Hiaraka isika. Nokianin’ity solombavambahoaka ity mafy ireo mpitondra tsy tonga nanotrona azy ireo ary tsy ireto farany, hoy izy, no nifidy azy fa ny vahoaka eto Mahajanga ka tsy maintsy ny vahoaka no masi-mandidy eto amin’ny tany sy ny firenena. Nilaza hatrany izy fa ho hampifantariny ny vahoaka Malagasy rehetra ny raharaha miseho eo anivon’ny Antenimeram-pirenena indrindra ireo lalàna izay entina ho lanina ao.Tsy hatahotra ny zavatra hitranga ny tenany amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka na dia hihatra aman-aina aza ny fampandrosoana ny firenena Malagasy no tena tanjona lehibe aminy. Hiova, araka izay, ny fomba fiasan’ity depioten’ny MAPAR ity satria dia hanao tatitra ho isam-pokontany ny volavolan-dalàna lany sy ho mbola hodinihina ary ny raharaha rehetra miseho eny amin’ny Antenimera izy satria dia rariny raha mahafantatra ny zava-misy ny vahoaka Malagasy. Toy ny fanaon’ity solombavabahoaka ity amin’ny fanampiana ny vahoaka izay nifidy azy dia nisy ny fora zaza faobe izany fanaony isan-taona ka ankizilahy arivo mahery no nanatanteraka izany isam-pokontany ary tao amin’ny hopitaly manara-penitra Mahajanga no nandray ny hetsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT