Tsy afaka ny hitazam-potsiny ny zava-tsy mety eto amin’ny firenena ny tenako fa tsy maintsy manitsy ny famindran’ny filoham-pirenena sy ireo ekipany amin’ny mpanatanteraka, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena
Tena henoin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny teniko, hoy izy, rehefa mamaly ny fanontaniana apetrany amiko amin’ny vahaolana tokony hatao amin’ny fisian’ny tsy fandriampahalemana any Atsimon’ny Nosy misy anay any. Anisan’ireo soso-kevitra nomeko azy ny hampiasana voromby na helikoptera amin’ny ady atao amin’ny dahalo, eo koa ny famindrana toerana an’ireo tompon’andraiki-panjakana toy ny delegem-panjakana sy ireo lehiben’ny distrika mpanome alalana sy ireny taratasina omby ireny. Mahagaga ahy, hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas, fa hatreto dia tsy misy fanatanterahana ireny vahaolana haroso aminy ireny ka eo no mahavalalanina amin’ity resaka ity fa tsy hoe mifanolana amin’ny ahoana akory izahay mirahalahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.