• Alakamisy 12 Martsa 2015
Politique.Mametraka ny olony ny HVM Nesorina avokoa izay manelingelina

Tompon’andraiki-panjakana ambony maro no indray nesorina tamin’ny toerany nandritra ny filankeivitry ny minisitra omaly. Anisan’ny misongadina amin’izany ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Robimanana Orlando. Tranga izay efa nampoizina ihany taorian’ny fijoroany nanakana ny fikasan’ny minisitra iray avy amin’ny antokon’ny fitondrana hamoaka vola mitentina 40 miliara Ariary tsy manara-penitra. Hanamora ny famoaham-bola ve no nanilihana azy ? I Feno

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Martsa 2015
Politique.Pety Rakotoniaina Ilaina ny fampihavanana ataon’ny FFKM

Nivoaka tamin’ny fahanginana i Pety Rakotoniaina, filohan’ny antoko Tambatra, omaly. Tsy mety raha tsy hiteny ny tena manoloana ny trangan-javatra misy eto amin’ny firenena amin’izao, hoy izy. Mikasika ny fampihavanam-pirenena manokana izay tarihin’ny Raiamandreny am-panahy FFKM dia nambaran-dRakotoniaina Pety fa ilaina ny firosoantsika amin’izany hahafahana

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Martsa 2015
Politique.COM-TIM Ankazondandy Tsy nangina fa nampanginina

Nifoha tamin’ny fahanginany ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny Kaominina Ankazondandy, Distrikan’i Manjakandriana, rehefa nangina nandritra ny taona maromaro nisehoan’ny fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena. Nampiantso fivoriambe ny filohan’ny COM-TIM Razanadrakoto Emmanuel ary avy tamin’izany

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Martsa 2015
Politique.Ravalomanana sy Rajoelina Ny vahoaka no hitsara

Samy tsy dia re feo firy tato ho ato Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Itsy voalohany dia mbola voafehin’ilay didim-panjakana managadra azy, hany ka tsy mahazo mivoaka ny trano sy tsy mahazo maneho hevitra. Ilay faharoa kosa dia matetika any ivelany, mandeha ny resaka fa hoe mianatra momba ny fitantanan-draharaham-panjakana any ivelany izy satria manomana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Martsa 2015
Politique.Vondron’Ambodivona Hamory vahoaka ao ambadiky ny voin-kava-mahatratra

Hanao hetsika voin-kava-mahatratra ao Toliara ny “Vondron’Ambodivona” amin’ny sabotsy izao. Ireo Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin’ny Faritanin'i Toliara, avy amin'ny antoko sy vondron'Antoko MAPAR, Malagasy Miara Miainga, Avana ARD, Hiaraka Isika ary ny Antoko Maitso no ambara fa mpikarakara azy ity ho fanampiana ireo havana traboina.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Martsa 2015
AMF.3FM Ny fampihavanam-pirenena ihany no fanafodin’ny krizy

Hafaliana ho an’ny AMF/3FM, hoy ny révérand Andrianalijohn Ndriamanampy filohany, ny nahita ny fahasahian’ny FFKM niroso amin’ny fampihavanam-pirenena. Nosembanin-drahona anefa izany tamin’ny fanompoam-pivavahana notarihan-dry zareo in-droa miantoana teny amin’ny FJKM Andrainarivo

Hamaky ny tohiny
FTT