Politique

Ravalomanana sy Rajoelina Ny vahoaka no hitsara


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Samy tsy dia re feo firy tato ho ato Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Itsy voalohany dia mbola voafehin’ilay didim-panjakana managadra azy, hany ka tsy mahazo mivoaka ny trano sy tsy mahazo maneho hevitra. Ilay faharoa kosa dia matetika any ivelany, mandeha ny resaka fa hoe mianatra momba ny fitantanan-draharaham-panjakana any ivelany izy satria manomana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018.

Vaky ny ady

Na izany aza dia fantapantatra avy amin’ny fanehoan-kevitra ataon’ireo mpiara-dia amin’izy ireo tsirairay ihany ny fomba fijerin’izy ireo ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, ary azo tombanana ihany ny zavatra mety hataon’izy ireo. I Andry Rajoelina dia efa mazava fa maniry mafy ny ho filoham-pirenena ary anisan’ireo kandida hifaninana afaka 4 taona, izy rahateo efa nanambara fa hiverina amin-kery amin’ny 2018.Hita mazava amin’ny fihetsiky ny ankolafiny fa manohitra izao fitondrana mijoro izao i Andry Rajoelina. Efa tena vaky ny ady eo amin’ny MAPAR sy ny HVM raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy satria tsy levon’ny vavonin’ingahy Rajoelina sy tena nandona mafy ny hambom-pony mihitsy ny nitsipahan-dRajaonarimampianina azy sy ny Mapar vantany vao nahazo fahefana izy.

Miketrika mangina

Ankilan’izay, tsy re mikabary na be resaka amin’ny filazam-baovao i Marc Ravalomanana saingy mandrafitra am-pitoniana ao Faravohitra ny paikady politikany. Mahatoky mantsy izy sy ireo mpiara-dia aminy fa tsy maintsy averina aminy ny fahafahany manontolo atsy ho atsy ka dia hiverina hanao politika izy. Na dia voafetra sy voara-maso akaiky aza dia misy ihany ireo olona mihaona sy miresaka amin’ity filoha teo aloha ity eny amin’ny trano fonenany,efa nihaona taminy ohatra ny fianakaviamben’ny antoko Tiako I Madagasikara ,azo antoka fa manodidina ny raharaham-pirenena no votoatin-dresaka .Ny olon-tsotra mandinika ny zava-misy dia samy mahatsapa fa hafa ihany tamin’ny andro nitondran’i Dada ny firenena, efa nisy ny tsirim-panantenana hahatsara ny fiainan’ny malagasy, saingy potika izany rehefa tonga ny fanonganam-panjakana. Samy mahatsapa koa anefa ny maro fa tsy mbola matotra ara-politika sy ara-pitantanana ny fitondrana misy ankehitriny ka noho izany tsy azo antenaina hitondra vahaolana amin’izao fahasahiranana tsy roa aman-tany manjo ny firenena izao. Maro no resy lahatra fa tena mbola ilain’ny firenena i Marc Ravalomanana ary mahomby kokoa ny fitondrany ny anjara birikiny amin’ny fanarenana ny firenena raha toa ka tafaverina ho filohan’ny repoblika izy.

 Ny vahoaka no hitsara

Fehiny, lojikan’ny zava-nitranga sy ny tantaram-pirenena ny hifanandrinan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Efa tsy anaty tabilao intsony tsinona i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM. Ireo mpanao politika hafa efa hita ihany fa mpikarama an’ady ary efa nihanjahanja imasom-bahoaka ny tsy fahaizany ka tsy ho lasa lavitra mihitsy izy ireo. Ny vahoaka no masi-mandidy, ny vahoaka no mitsara ka ho hita eo izay tena maharesy lahatra azy  amin’i Dada sy Zandry kely raha tsy hoe…mihatra indray ilay « ni…ni » !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT