Tompon’andraiki-panjakana ambony maro no indray nesorina tamin’ny toerany nandritra ny filankeivitry ny minisitra omaly. Anisan’ny misongadina amin’izany ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Robimanana Orlando. Tranga izay efa nampoizina ihany taorian’ny fijoroany nanakana ny fikasan’ny minisitra iray avy amin’ny antokon’ny fitondrana hamoaka vola mitentina 40 miliara Ariary tsy manara-penitra. Hanamora ny famoaham-bola ve no nanilihana azy ? I Feno
Pierre Jean, tale jeneralin’ny «Audit Interne» tao amin’ny minisiteran’ny vola no nasolo ny toerany. Nosoloina avokoa ireo filohan’ny sampam-pitsarana eo anivon’ny Fitsarana tampony, ka Randrianantenaina Modeste indray izao no filoha voalohany ary Ravoniarison Richard no filohan’ny Filankevi-panjakana nasolo an-dRamilison Max, mpikamban’ny antoko AVI. Rakotomandimby Benjamin Alexis indray koa izao no «Commissaire Général de la Loi» ary Raveloarijaona Boanary no notendrena ho filohan’ny «Cour des Comptes» nasolo an-dRandrezason Jean Théodore. Lehiben’ny Faritra maro koa no indray voatsoka tamin’ny toerany, anisany ny an’Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Bongolava, Matsiatra Ambony. Nisy tamin’ireo vao notendrena no efa lehiben’ny Faritra tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana toa an’i Brechard Luc Loyola (Anosy), Dolsain Guy Arvely (Melaky) ary Andrianjaka Rémy Vincent (Vatovavy Fitovinany). Notendrena ho lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony ny filohan’ny Tanora Tiako i Madagasikara (teo aloha) izay efa minisitry ny fizahantany tamin’ny tetezamita, Riana Andriamandavy VII. Tsy nambara moa ny masontsivana nifantenana azy ireo na fahaiza-mitantana na noho izy nanatevin-daharana ny antokon’ny fitondrana. Fa nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly koa ireo volavolan-dalàna mifehy ireo Kaominina manana sata manokana dia Antananarivo Renivohitra, Nosy Be ary Sainte-Marie. Nisy koa ny didim-panjakana miantso fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimieram-pirenena. Midika io fa ho avy ny fifidianana, ary dia efa mametrapetraka ny olony ny HVM hanamorany ny asany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.