Nivoaka tamin’ny fahanginana i Pety Rakotoniaina, filohan’ny antoko Tambatra, omaly. Tsy mety raha tsy hiteny ny tena manoloana ny trangan-javatra misy eto amin’ny firenena amin’izao, hoy izy. Mikasika ny fampihavanam-pirenena manokana izay tarihin’ny Raiamandreny am-panahy FFKM dia nambaran-dRakotoniaina Pety fa ilaina ny firosoantsika amin’izany hahafahana
mifampidinika, hanarenana ny zavatra tsy nety hatramin’izay teto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fivangongoan’ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra hatramin’izay hoy hatrany izy. Raha misy ny tokony holazaina dia ny hampahomby bebe kokoa ny fampihavanana no hatao fa tsy hanafoana azy, hoy izy. Na izany aza anefa, hoy izy dia mila jeren’ny FFKM ireo fikambanana tokony hiditra sy handray anjara ao anatin’ny fampihavanana mba hahafahan’ny hevitra rehetra eny ifotony mivoaka.
Tsy ekena ny fanararaotana ara-politika ny fahasahiranam-bahoaka
Mikasika ny tondra-drano eto amintsika vokatry ny ora-mikija indray dia nanamafy i Pety Rakotoniaina fa tsy ekena ny fanararaotana politika ataon’ny sasany amin’izao ka anaovany fihetsika hitiavan’ny vahoaka azy etsy na eroa. Fahafatesana izao mitranga izao, hoy hatrany ny filohan’ny antoko Tambatra ka tsy tokony hohararaotina. Fifanampiana, firaisankina, fifanomezan-tanana no hatao amin’ny Malagasy fa tsy fanararaotana te hanankarena androany amin’ny alalan’ny kajikajy pôlitika maro isan-tsokajiny, hoy hatrany izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.