AMF

3FM Ny fampihavanam-pirenena ihany no fanafodin’ny krizy


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Hafaliana ho an’ny AMF/3FM, hoy ny révérand Andrianalijohn Ndriamanampy filohany, ny nahita ny fahasahian’ny FFKM niroso amin’ny fampihavanam-pirenena. Nosembanin-drahona anefa izany tamin’ny fanompoam-pivavahana notarihan-dry zareo in-droa miantoana teny amin’ny FJKM Andrainarivo

Fahasoavana noho ny tsy fahatongavan’ny Pr Zafy Albert sy i Andry Rajoelina. Ny tenako manokana, hoy i Satrobory, dia efa niezaka nampihavana azy mianaka fototry ny krizy tamin’ny 2009 teto amintsika tamin’ny fandefasana taratasy mitovy ho azy ireo ny 11 jolay 2012 nefa dia samy hafa ny valin-teny nomen’izy ireo. Tsy kivy akory ny tena satria samy olona kristianina no nampihavanina ary notohizan’ny FFKM ny raharaha. Koa manao antso avo amin’ny Pr Zafy Albert izay tsy misy tsy mahalala fa anisan’ny niady fo tamin’io fampihavanam-pirenena io, mba hiverina amin’ny dinika. Mahatoky ny fiverenany amin’izany izahay fa i Andry Rajoelina moa any Frantsa mandray fananarana mba tsy hiverenan’ny 2009 intsony izay tsy misy tsy mahalala koa fa tosika nataon’ny Frantsay. Ho vita eto isika Malagasy raha mbola mitohy ny fihetsiky ny Frantsay, hoy i Satrobory, fa raha nisy teratany malagasy maty tany Frantsa farany teo tsy rototra ny ambasadaoron’i Frantsa fa rehefa ny azy no nisy naka an-keriny teto dia nikoropaka ny lehilahy. Ny zava-misy tato ho ato, hoy ny filohan’ny Amf/3Fm dia tsy mamela ny olona tia tanindrazana tsy hiala fa tsy milamina ny tany, nefa ho an’izay Kristianina dia manana fanantenana foana ka izahay AMF/3Fm sy ny tenako amin’ny maha mpitarika ny finoana Kimbanguiste ny tenako eto Madagasikara vonona hatrany hanohana ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena mba tsy hahatanteraka ny fiheverana fa kapoka avy amin’Andriamanitra izao zava-manjo ny vahoaka Malagasy ankehitriny izao ka tsy hiafara amin’ny Sodôma sy Gômôro sanatria no hiseho eto amintsika.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT