Nifoha tamin’ny fahanginany ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny Kaominina Ankazondandy, Distrikan’i Manjakandriana, rehefa nangina nandritra ny taona maromaro nisehoan’ny fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena. Nampiantso fivoriambe ny filohan’ny COM-TIM Razanadrakoto Emmanuel ary avy tamin’izany
no nihainoana ny hevitry ny mpikambana eny ifotony, avy amin’ireo fokontany miisa 25 mandrafitra ny kaominina, ka nanehoan’izy ireo fa mbola ny Tiako I Madagasikara, izay naorin’ny filoha Ravalomanana Marc ihany no fantatry ny olona ary tsy afaka am-pon’ny vahoaka. Nanaporofo izany ny isam-bato azon’ny kandida natolotry ny antoko tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana solombavambahoaka farany teo, ary mbola hoporofoin’izy ireo amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy eo izany. Nambaran-dRazanadrakoto Emmanuel fa tsy manadino ny fampandrosoana vitan’ny filoha Ravalomanana Marc teto amin’ny firenena ny vahoaka ary mbola manantena ny hahavitany mihoatra noho izany raha izy no tafaverina eo amin’ny fitondrana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.