Hanao hetsika voin-kava-mahatratra ao Toliara ny “Vondron’Ambodivona” amin’ny sabotsy izao. Ireo Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin’ny Faritanin'i Toliara, avy amin'ny antoko sy vondron'Antoko MAPAR, Malagasy Miara Miainga, Avana ARD, Hiaraka Isika ary ny Antoko Maitso no ambara fa mpikarakara azy ity ho fanampiana ireo havana traboina.
Hetsika izay hatao ao amin ny «Jardin de la mer” ary hafanaina mpanakanto toa an-dry Black Nadia, Tence Mena ... Inona no marina e ? Tsy efa famoriam-bahoaka ve ity hatao ity, fa miafina ao ambadiky ny voin-kava-mahatratra ny mpikarakara, hisehoana fa izy ireo no tena nahavory olona. Sarotra rahateo ny hino fa hihira fotsiny ireo mpanakanto nasaina ireo amin’io fotoana io, fa misy sarany ny fandraisan’anjaran’izy ireo. Koa raha izany ihany, inona no tsy nandrotsahana avy hatrany ny saram-pandaniana amin’ny fikarakarana sy ny valopy hozaraina amin’ny mpanakanto any amin’ny traboina, rehefa tsy natolotra ny Bngrc ? Sa hanararaotra ny fahavoazana eto amin’ny firenena izao, hisehoana fa mahavita azy ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.